Baròka
Toko 1 Toy izao ireo teny ao amin'ny boky nosoratan' i Baroka zanakalahin'i Neria, zafikelin'i Mahaseia , zafiafin'i Tsedekia, zafindohalik'i Hasadia, zafin-kitrokelin'i Hilkia tany Babilona.
Toko 2 "Koa notanterahin'ny TOMPO izay teny efa nolazainy hamelezana antsika sy ny mpitsarantsika izay natao hifehy an'i Israely sy ireo mpanjakantsika ary ny mpitondrantsika mbamin'ny olon'i Israely sy i Joda.
Toko 3 "Ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, amin'ny fo ory sy fanahy kivy no iantsoanay vonjy aminao.
Toko 4 Ny Fahendrena dia ao amin'ilay boky mirakitra ny didin'Andriamanitra: ny Fahendrena dia lalana izay maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy dia hankany amin'ny fiainana; fa izay mandao azy kosa dia hankany amin'ny fahafatesana.
Toko 5 Ry Jerosalema o, avelao ny akanjom-pahoriana manala baraka anao ka iakanjoy mandrakizay ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra.