Baròka

Toko faha-3

1 "Ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, amin'ny fo ory sy fanahy kivy no iantsoanay vonjy aminao.

2 TOMPO o, henoy izahay ary amindrao fo fa nanota taminao.

3 Mitoetra eo amin'ny sezafiandrianana mandrakizay Ianao, fa izahay kosa mahatsiaro ho very tanteraka.

4 Ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, henoy ny fitalahoanay Israelita vahoakanao. Eny, tahaka ireo maty izahay ary taranak'ireo nanota teo anatrehanao satria tsy nihaino ny fampitandremanao TOMPO Andriamanitray, ka niraikitra taminay ny loza.

5 Aza tsarovanao ny helok'ireo razanay fa tsarovy kosa amin'izao fotoana izao ny herinao sy ny voninahitrao.

6 Ianao no TOMPO Andriamanitray, ka hidera Anao izahay, ry TOMPO.

7 Izany no nampidiranao ny fanajana Anao tao am-ponay, mba hiantsoanay vonjy aminao. Mihira ny fiderana Anao aty an-tsesitany izahay fa efa nampanalavirinay ny fonay ny finiavana hikomy toy ny nataon'ny razanay izay nanota taminao.

8 Indreto ary izahay ankehitriny, aty an-tsesitany izay nampielezanao aty, hizaka ny latsa sy ny ozona ary hanonitra ny fikomiana rehetra nataon'ireo razanay izay niendaka taminao TOMPO Andriamanitray. "

9 Ry Israely o, mihainoa ny didy izay mitondra ho amin'ny fiainana; avelao hiditra ao an-tsofinareo ireny mba hahaizanareo mandanjalanja.

10 Ahoana moa ianareo, ry olon'i Israely, no tonga aty an-tanim-pahavalo, antitra any an-tanin'ny hafa,

11 voaloto satria mifandray amin'ny maty ary natao ho anisan'ireo tafiditra any amin'ny toeran'ny maty?

12 Satria nilaozanareo ny loharanom-pahendrena.

13 Raha nanaraka ny lalan'Andriamanitra ianareo, dia ho niaina tamim-piadanana mandrakizay.

14 Fantaro ary izay misy ny fahaiza-mandanjalanja, ny hery ary ny fahiratan-tsaina; dia ho fantatrareo miaraka amin'izany koa izay misy ny andro lava ombam-piainana ary ny hazavam-pijery ny fiadanana.

15 Iza no nahita ny toerana misy ny Fahendrena ary iza no tafiditra tao an'efitrano fanafenany ny haren-tsarobidiny?

16 Aiza ireo filoham-pirenena? Aiza ireo mpamolaka ny bibidia?

17 Aiza ireo mpilalao ny voro-manidina? Aiza ny mpanan-karena tsy hita fetra fa manangona ny volafotsy sy ny volamena izay ametrahan'ny olona ny fitokiany?

18 Aiza ireo mpahay taozavatra izay misahirana miasa ny volafotsy kanefa tsy hita soritra akory ny asany?

19 Levona ireny, ary efa tafidina any amin'ny toeran'ny maty; ka ny hafa no nitsangana nisolo azy.

20 Nahita masoandro ireo tanora herotrerony ary nonina teto ambonin'ny tany, nefa tsy nahafantatra ny lalana mankany amin'ny fahalalana.

21 Tsy fantany ny sakeli-dalana ahatrarana azy, ka tsy nahazo na inona na inona taminy izy. Ny zanaka nateraka koa nanalavitra ny lalana nalehan'ireo rainy.

22 Tsy mba re nolazaina tao Kanahana sady tsy mba hita tany Temana ny fahendrena.

23 Na dia ireo taranak'i Hagara izay nikaroka ny hairaha teto an-tany aza, na ireo mpivarotra avy any Midiana sy Temana, na ireo mpitantara angano sy ireo filozofa dia samy tsy nisy nahita ny lalana mankany amin'ny fahendrenana nahatadidy ny sakeli-dalany.

24 Ry Israely o, akory ity halehiben'ny tontolo, izay tranon'Andriamanitra, akory ny halalaky ny fonenany!

25 Midadasika tsy misy fetra izy, sady avo tsy hay refesina!

26 Teo no teraka ireo rapeto, ireo olo-malaza tamin'ny andro fahagola, ranjanana be sady zatra ady.

27 Tsy ireny anefa no nofidin'Andriamanitra, ary tsy ireny no natorony ny lalam-pahalalana.

28 Maty izy noho ny tsy fahaiza-mandanjalanja; eny, maty izy noho ny hadalany.

29 Iza no niakatra tany an-danitra mba hisambotra ny Fahendrena, sy hampidina Azy avy any amin'ny rahona?

30 Iza no nita ny ranomasina mba hahita Azy ka hahazo Azy natakalo volamena voafantina?

31 Tsy misy mahafantatra ny lalana mankany amin'ny Fahendrenana mba maniry hizotra amin'izay sakeli-dalany.

32 Fa Andriamanitra Izay mahalala ny zava-drehetra no mahafantatra tsara ny Fahendrena; tamin'ny fahiratan-tsainy no nahitany Azy. Nanorina ny tany ho mafy mandrakizay Izy sady nameno azy biby manan-tongotra efatra.

33 Maniraka ny hazavana Izy, dia mandeha io; ampodiny indray izany dia manaiky Azy amin-kovitra.

34 Mamiratra eo amin'ny toerany ny kintana sady falifaly tokoa;

35 miantso azy Andriamanitra, dia valiany hoe "Indreto izahay!" Samy mamirapiratra amin-kafaliana ireo mba ho an'Ilay nahary azy.

36 Io mpahary io no Andriamanitsika, ary tsy misy hafa mitovy aminy.

37 Efa hitany avokoa ny lalana mankany amin'ny fahalalana; ary izany lalana izany no natorony ny taranak'i Jakoba mpanompony, dia ny vahoakan'i Israely malalany.

38 Hatramin'izay no nisehoan'ny fahendrena teto ambonin'ny tany sy niainany teo anivon'ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567