Baròka
Toko faha-5
1 Ry Jerosalema o, avelao ny akanjom-pahoriana manala baraka anao ka iakanjoy mandrakizay ny fanamiam-boninahitra avy amin'Andriamanitra.2 Itafio toy ny lamba matevina roa sosona ny famonjena avy amin'Andriamanitra ho anao. Aoka ny voninahitr'ilay Andriamanitra Mandrakizay no ho toy ny satroboninahitra apetrakao eo an-dohanao.
3 Satria hasehon'Andriamanitra amin'ny tany tontolo ambanin'ny lanitra ny famirapiratana izay atafiny anao.
4 Ary ny anarana mandrakizay izay homeny anao dia hatao hoe: " Fiadanam-pamonjena, sy famirapiratam-pitiavam-bavaka."
5 Miarena, ry Jerosalema, mijoroa eo antampon-kavoana, mitodiha any amin'ny fiposahan'ny masoandro ary mitazana manodidina anao; jereo ny zanakao miangona avy any rehetra any, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, noho ny feon'ilay Andriamanitra Masina, ka ravo tokoa fa notsarovan'Andriamanitra.
6 Nandeha an-tongotra no nandaozany anao sady natositosik'ireo fahavalony; lanjaina amim-boninahitra kosa, toy ny mpanjaka amin'ny sezafiandrianana, no amerenan'Andriamanitra azy aminao.
7 Fa nobaikoin'Andriamanitra hietry ny tendrombohitra avo rehetra sy ny dongom-pasika tsy hita fetra; nasainy nototofana ny hadilalana mba hitovy tantana ny tany , satria ny vahoaka Israely dia tiany handeha milamina omban'ny voninahiny.
8 Nobaikoin'Andriamanitra ihany koa ny ala sy ny hazo mani-pofona rehetra hanome alokaloka ho an'ny vahoaka Israely.
9 Fa hotantanan'Andriamanitra io vahoaka io, omban-kafaliana sy hazavain'ny voninahiny, satria namindrany fo sy novonjeny.