Baròka

Toko voalohany

1 Toy izao ireo teny ao amin'ny boky nosoratan' i Baroka zanakalahin'i Neria, zafikelin'i Mahaseia , zafiafin'i Tsedekia, zafindohalik'i Hasadia, zafin-kitrokelin'i Hilkia tany Babilona.

2 Ny namoahana io boky io dia tamin'ny tsingerin-taona fahadimy nahazoan'ny Babilonianina an'i Jerosalema ka nandravany azy tamin'ny afo, izany hoe tamin'ny andro fahafiton'ny volana fahadimy.

3 Ny teny tao anatin'ity boky ity dia novakin'i Baroka teo anatrehan'i Jekonia , zanakalahin'i Joakima sady mpanjakan'i Joda, ary koa teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tonga hihaino izany.

4 Teo daholo izay Jiosy rehetra nonina tany Babilona teo amoron'ny ony Soda , dia ny manampahefana sy ny zanaky ny mpanjaka sy ny loholona ary ny vahoaka rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.

5 Nitomany teo anatrehan'ny TOMPO ny olona, ary nifady hanina sady nivavaka.

6 Avy teo dia nanangom-bola izy, ka samy nanome araka izay azony natao,

7 dia nalefany tany Jerosalema ny vola ho an'i Joakima mpisorona, zanakalahin'i Hilkia sady zafin'i Saloma, ary ho an'ireo mpisorona hafa mbamin'ireo vahoaka rehetra izay miaraka aminy any Jerosalema.

8 Tamin'ny andro fahafolon'ny volana Sivana dia efa azon'i Baroka indray ireo fanaka nalaina tao amin'ny tempolin'ny Tompo, ary nokasainy haverina any amin'ny tanin'i Joda.

9 Izany dia ny fanaka volafotsy izay nampanamboarin'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, taorian'ny namaboan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona an'i Jekonia sy ireo mpitondra sy ireo mpahay taozavatra sy ireo manampahefana mbamin'ny vahoakan'i Joda avy tao Jerosalema ka nitondra ny azy any Babilona.

10 Nandefa hafatra ho an'ireo olona tany Jerosalema ireo babo ka nanao hoe: "Nandefa vola ho anareo izahay, koa mividiana vovo-javamanitra sy biby hatao soronadorana manontolo sy sorona fanalana ny ota; dia manolora fanatitra ianareo ary atero eo ambony alitaran'ny TOMPO Andriamanitsika ireo sorona ireo.

11 Mivavaha koa ho an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy i Belsatsara zanany lahy. Mangataha amin'Andriamanitra mba hamelany azy ho ela velona tahaka ny lanitra eny ambonin'ny tany.

12 Ataovy izany mba hanomezan'Andriamanitra hery anay sy hamerenany ny fifalianay , mba hiainanay eo ambany fiarovan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy i Belsatsara zanany lahy, ka hanompoanay azy mandritra ny andro maro mba hahitanay sitraka eo anatrehan'izy mianaka.

13 Farany, mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitsika ho antsika, satria Izy no nanotantsika ary tsy mbola nanaisotra ny fahatezerana amam-pahavinirany tamintsika mandraka androany.

14 Ao an-tranon'ny TOMPO, rehefa tonga ny fetin'ny Trano tomboka na amin'ny fotoana hafa ilana azy, dia vakio ampahibemaso ity boky izay alefanay aminareo ity ho fieken-keloka.

15 Izao no tokony holazainareo: "An'ny TOMPO Andriamanitsika ny fahamarinana, fa antsika kosa ny henatra tahaka izao anio izao; eny, antsika olon'i Joda sy mponin'i Jerosalema ny henatra,

16 ary koa an'ireo mpanjakantsika sy mpitondrantsika, an'ireo mpisorontsika sy mpaminanintsika ary an'ireo razantsika!

17 Nanota tamin'ny TOMPO isika,

18 ary nivadika taminy, fa tsy nihaino ny TOMPO Andriamanitsika raha nasainy nanaraka ny didy izay napetrany teo anoloantsika.

19 Hatry ny namoahan'ny TOMPO ireo razantsika hiala tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitsika isika, fa nivily tsy nety nihaino ny feony.

20 Koa araka izao hita anio izao, dia niraikitra tamintsika ireo loza mbamin'ny ozona izay nampilazainy an'i Mosesy mpanompony tamin'ny andro izay namoahany ny razantsikahiala tany Ejipta mba hanomezany antsika ny tany tondra-dronono sy tantely.

21 Ny TOMPO Andriamanitsika no naniraka tamintsika ireo mpaminany, nefa tsy nohenointsika ny teny rehetra nampilazainy azy.

22 Fa samy nanaraka ny fironan-dratsin'ny fontsika avy isika, ka nanompo andriamani-kafa ary nanao izay ratsy teo imason'ny TOMPO Andriamanitsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566