Baròka
Toko faha-2
1 "Koa notanterahin'ny TOMPO izay teny efa nolazainy hamelezana antsika sy ny mpitsarantsika izay natao hifehy an'i Israely sy ireo mpanjakantsika ary ny mpitondrantsika mbamin'ny olon'i Israely sy i Joda.2 Ary tsy mbola nisy mihitsy teto ambonin'ny tany nizaka toy izay nanjo an'i Jerosalema. Izany loza izany anefa dia efa voasoratra tao amin'ny lalanan'i Mosesy:
3 nanjary nihinana ny nofon'ny zanany lahy sy zanany vavy ny olona.
4 Avy eo dia natolony teo ambany fifehezan'ireo fanjakana rehetra manodidina izy mba hiharan'ny latsa sy ny fandravana ataon'ireo vahoaka mpifanila aminy sady nampielezan'ny TOMPO azy.
5 Koa tonga resy isika toy izay ho mpandresy, satria nanota tamin'ny Tompo Andriamanitsika fa tsy nihaino ny feony.
6 Koa an'ny TOMPO Andriamanitsika ny fahamarinana fa antsika sy an'ireo razantsika ny henatra araka izao hita anio izao."
7 Ny loza rehetra efa nandrahonan'ny TOMPO antsika dia nihatra tamintsika.
8 Tsy mba nangataka taminy akory isika mba hampialany amin'ny fironan-dratsin'ny fontsika.
9 Koa nimasoan'ny TOMPO mihitsy ny hahatonga ireo loza ireo tamintsika, satria marina Izy tamin'izay rehetra nodidiany hataontsika;
10 saingy isika kosa no tsy nihaino Azy fony Izy nampanaraka antsika ireo didy napetrany teo anoloantsika."
11 "TOMPO Andriamanitr'i Israely o, namoaka ny vahoakanao avy tany Ejipta Ianao, tamin'ny asa mahery sy ny zava-mahagaga amam-pamantarana ary tamin'ny fahefana lehibe sy hery tsy hay tohaina, araka izao hita anio izao. Ary ankehitriny,
12 miaiky izahay fa nanota sy nikomy ary tsy nankato ny fitsipikao rehetra, ry TOMPO Andriamanitray o.
13 Vitsy sisa izahay any amin'ny firenena izay nampielezanao anay, koa ahodino hiala aminay re ny fahatezeranao.
14 TOMPO o, noho ny amin'ny tenanao, dia mba henoy izay angatahinay aminao am-bavaka, ka ataovy mahazo indrafo izahay eo anatrehan'ireo namabo anay.
15 Amin'izay dia hiaiky ny tany tontolo faIanao no TOMPO Andriamanitray ary izahay taranak'i Israely no voatokana ho Anao.
16 TOMPO o, mba jereo avy any amin'ny fonenanao masina ambony any izahay, kahevero ny aminay; TOMPO o, atongilano ny sofinao hihaino,
17 ahirato ny masonao hijery: tsy mba ny maty any amin'ny fonenan'ny maty ka efa nialan'ny fofonaina tao anatiny no hiaiky ny voninahitrao sy ny fahamarinanao.
18 Fa ny olona mijaly fadiranovana, izay mandeha efa trotraka sy vokoka, ny olona mipendrapendrana fijery sy noana: izy no hiaiky ny voninahitrao sy ny fahamarinanao, TOMPO o.
19 Noho izany, ry TOMPO Andriamanitray o, raha mankeo anatrehanao hiangavy ny famindramponao izahay, dia tsy miantehitra amin'ny asa soa nataon'ny razanay na ny mpanjakanay."
20 Fa hamely anay no nandefasanao ny hatezerana amam-pahaviniranao, araka ny nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe:
21 "Izao nolazain'ny TOMPO: Aondreho ny lamosinareo ary manompoa ny mpanjakan'i Babilona, dia ho tafajanona eo amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo.
22 Fa rahatsy manaiky hanompo ny mpanjakan'i Babilona araka izay voalazako ianareo,
23 dia hatsahatro eny an-tananan'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny kotabam-pifaliana amin'ny fety sy ny ho rakora-piravoana ary ny hiran'ny mpanambady vao; ka ho tonga taniefitra tsy misy mponina ny tany manontolo."
24 "Nefa tsy nihaino ny feonao izahay, ry TOMPO Andriamanitray o, fony nasainao nanompo ny mpanjakan'i Babilona. Ka dia notanterahinao ny fandrahonana nambaranao tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanomponao, dia ny hanesorana ireo taolan'ny mpanjakanay sy ny razanay avy ao am-pasany.
25 Nahatsiravina tokoa ny fiafaran'ireo razanay sy ny mpanjakanay: matin'ny mosary na ny sabatra na ny sesitany. Ary indreo ny fatiny natsipy eny ivelan'ny fasany, nahanjahanja amin'ny hafanan'ny antoandro ary amin'ny hatsiakan'ny alina !
26 Ary ny tempoly izay natokanao ho Anao dia hita izao ny nanaovanao azy ankehitriny noho ny heloky ny firenen'i Israely sy i Joda.
27 Kanefa, ry TOMPO Andriamanitray o, dia tamin'ny ha ben'ny hatsaram-ponao aman'indrafonao manontolo no nanaovanao izany taminay,"
28 araka izay efa nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalananao ho an'ny Israelita. Hoy Ianao hoe:
29 "Raha tsy mihaino izay lazaiko ianareo, izao ianareo vahoaka be izao ankehitriny dia ho andian'olom-bitsy sisa any amin'ny firenena izay hampielezako anareo any.
30 Fantatro fa tsy hihaino Ahy ianareo satria vahoaka mpikomy. Kanefa handini-tena ianareo any am-pahababoana any,
31 ka hiaiky fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Homeko fo mandray sy sofina malady ianareo;
32 ka any am-pahababoana no hihiranareo fiderana Ahy sy hahatsiarovanareo ny anarako.
33 Ho tsiahivinareo ny nanjo ireo razanareo izay nanota teo anatrehako ka hialanareo ny toetra mikomy sy ny asa ratsy.
34 Dia hampodiko any amin'ny tany izay nampanantenaiko an'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razanareo ianareo, ka hanjary Tompony; ary hampitomboiko ianareo fa tsy hahenako intsony."
35 Ary hanao fanekem-pihavanana maharitra mandrakizay aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako. Ary tsy hitondra an'i Israely vahoakako ho lavitry ny tany izay nomeko azy intsony Aho."