Baròka

Toko faha-4

1 Ny Fahendrena dia ao amin'ilay boky mirakitra ny didin'Andriamanitra: ny Fahendrena dia lalana izay maharitra mandrakizay. Izay rehetra mifikitra aminy dia hankany amin'ny fiainana; fa izay mandao azy kosa dia hankany amin'ny fahafatesana.

2 Miverena, ry taranak'i Jakoba! Mifikira amin'ny lalana, mizora ho amin'ny famirapiratana eo anoloan'ny fahazavany!

3 Aza omena ho an'ny hafa ny voninahitrareo, na ho an'ny firenen-kafa ny tombontsoanareo.

4 Sambatra isika, ry vahoakan'i Israely noho isika nampahafantarina izay zavatra sitrak'Andriamanitra!

5 Mahereza, ry vahoakako izay mitana ny anaran'i Israely!

6 Namidy tamin'ny firenen-kafa ianareo, nefa tsy handringanana anareo izany. Fa ny nanoloran'Andriamanitra anareo ho eo an-tanan'ny fahavalonareo dia noho ianareo nihantsy ny fahatezerany.

7 Demony no nanoloranareo sorona fa tsy ilay Andriamanitra Mpahary anareo, ka dia nampisafoaka Azy ianareo.

8 Hadinonareo Andriamanitra mandrakizay izay nanome hanina anareo; ary nampalahelovinareo i Jerosalema izay reny nitaiza anareo.

9 Fa ny fahatezeran'Andriamanitra dia efa hitan'i Jerosalema nihatra taminareo, ka nampiteny azy hoe: "Mihainoa ahy ianareo tanana mpifanila amin'i Tsiona, fahoriana lehibe no nikapohan'Andriamanitra ahy ;

10 satria hitako ny fahababoana nampiharin'Ilay Andriamanitra Mandrakizay, tamin'ireo zanako lahy sy zanakovavy.

11 Faly ery aho nitaiza azy ireny! Kanjo tamin-dranomaso amam-pahoriana no namelako azy handeha!

12 Aoka tsy hisy olona hifaly raha mahita ahy mpitondratena sy nilaozan-janaka maro! Indro aho tonga tsy misy mponina noho ny fahadisoan'ny zanako izay nihataka tamin'ny lalanan'Andriamanitra.

13 Tsy niraharaha ny baikon'Andriamanitra izy, tsy nizotra ny lalana voasoritry ny didiny, ary tsy nanaraka ny sakeli-dalana izay nanabeazany azy amin'ny fahamarinany.

14 Ianareo tanana mpifanila amin'i Tsiona, tongava hijery, tsarovy ny fahababoana nampiharin'ilay Andriamanitra Mandrakizay tamin'ireo zanako lahy sy zanakovavy.

15 Firenena avy lavitra no nalefany hamely azy, dia firenena tsy valahara sady hafahafa fiteny, olona tsy mahalala manaja ny antitra na mamindrafo amin'ny ankizy madinika.

16 Satria nifaoka ireo zanakalahy izay tsy foin'ny mpitondratena izy, ary namela azy ho irery voasaraka tamin-janakavavy."

17 "Anaka, inona no azoko atao mba hanampiana anareo?

18 Ilay nahatonga izao loza izao taminareo no hany afaka hamonjy anareo teo an-tanan'ny fahavalonareo.

19 Mandehana, rankizy, mandehana! Fa izaho tafajanona manirery eto.

20 Nesoriko ny akanjo fitondrako amin'ny androm-pifaliana fa nanaovako ny fitafiana fisaonana. Hiantso vonjy amin'ilay Andriamanitra Mandrakizay aho mandritra ny andro sisa hiainako.

21 Mahereza, anaka, miantsoa an'Andriamanitra; dia hamonjy anareo amin'ny famoretana sy ny vahohon'ny fahavalo Izy!

22 Izaho manko dia ilay Andriamanitra Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo. Efa nampifaly ahy sahady Ilay Masina: fantatro fa tsy ho ela intsony dia ho tonga hamindrafo aminareo Ilay Mandrakizay mpamonjy anareo.

23 Tamim-pahoriana aman-dranomaso no namelako anareo handeha! Nefa Andriamanitra hamerina anareo ho eo amiko mandrakizay ao anatin'ny haravoana amam-pifaliana.

24 Ankehitriny ireo tanana mpifanila amin'i Tsiona dia mahita fa any am-pahababoana ianareo. Nefa ho hitan'izy ireo tsy ho ela intsony fa Ilay Mandrakizay Andriamanitrareo dia ho tonga hamonjy anareo amim-boninahitra lehibe sy mamirapiratra.

25 Anaka, zakao am-paharetana ny vokatry ny fahatezeran'Andriamanitra. Manenjika anareo ny fahavalo; nefa vetivety dia ho hitanareo lavo izy ka ho hitsahinareo amin'ny hatony.

26 Ry zanako mankamamy ahy, nandia lalan-tsarotra ianareo satria nalain'ny fahavalo an-keriny toy ny biby fiompy nangalarina.

27 Mahereza, anaka, miantsoa an'Andriamanitra; fa Izy nahatonga anareo ho babo dia tsy afaka hanadino anareo.

28 Ianareo ihany no nanan-kevitra hanalavitra an'Andriamanitra. Koa ezaka im-polo heny no ataovy izao mba hiverenana aminy sy hikatsahana Azy;

29 satria Izy nahatonga izao loza izao taminareo no ho avy hamonjy anareo, ka hampifaly mandrakizay anareo. "

30 Mahereza, ry Jerosalema! Andriamanitra Izay nanome anarana anao no ho avy hampionona anao.

31 Hidiran-doza kosa ireo nanisy ratsy anao ka nifaly tamin'ny fianjeranao

32 Hidiran-doza ireo tanana izay nanandevo ny zanakao, indrindra fa ilay tanana izay nandray azy ho babo:

33 araka izay nifaliany tamin'ny fianjeranao sy nihobiany tamin'ny fahavoazanao no hahalelovany koa amin'ny faharavany;

34 ho esoriko aminy ny reharehany ho anisan'ny tanana be mponina indrindra, ary hiova ho fisaonana ny fianjonanjonany;

35 satria Ilay Andriamanitra mandrakizay dia handefa afo hamely azy ka handrava azy maharitra, ary ho fonenan'ny fanahy ratsy izy mandritra ny fotoana ela.

36 Ry Jerosalema o, mba mitodiha any amin'ny fiposahan'ny masoandro ary mitazana manodidina anao, dia ho hitanao ny hafaliana entin'Andriamanitra aminao.

37 Indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha ho babo; tonga avy any rehetra any ireo, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, nangonin'ny feon'ilay Andriamanitra masina, ka ravo tokoa miatrika ny voninahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575