Apôkalipsỳ

Toko 1 Fanambarana nataon'i Jesoa Kristy no aroso amin'ity boky ity. Izany fanambarana izany dia nomen'Andriamanitra Azy mba hanehoan'i Jesoa Kristy amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin'ny alalan'ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin'i Johany.
Toko 2 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Efeso: Izao no lazain'Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fitoeranjiro volamena fito:
Toko 3 Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Sardy: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy Masina ombam-panomezana fito avy amin'Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty.
Toko 4 Taorian'izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: Miakara aty, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.
Toko 5 Dia hitako nisy horonamboky teny an-tanana ankavanan'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana; ka io horonamboky io dia voasoratra anatiny sy ivohony sady voaisy tombokase fito.
Toko 6 Ary izao no hitako. Rehefa novahan'ny Zanakondry ny voalohany tamin'ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin'ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!
Toko 7 Taorian'izany, dia hitako nisy anjely efatra nijoro teo amin'ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo iray akory aza.
Toko 8 Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahafito, dia nangina tokony ho antsasak'adiny ny tao an-danitra.
Toko 9 Dia nitsoka trompetra ilay anjely fahadimy; ka hitako nisy kintana anankiray avy tany an-danitra, nilatsaka tety an-tany; ary nomena io kintana io ny fanalahidin'ny vavalavaky ny hantsambe.
Toko 10 Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin'avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;
Toko 11 Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe: Mitsangana, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.
Toko 12 Ary nisy famantarana lehibe niseho teny amin'ny habakabaka, dia vehivavy anankiray: ny masoandro no toy ny lamba nisalorany, ny volana no teo an-tongony; ary kintana 12 no satroboninahitra teo amin'ny lohany.
Toko 13 Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy; nisy satroboninahitra iray avy isaky ny tandrony; ary nisy anarana iray manevateva an'Andriamanitra isaky ny lohany.
Toko 14 Dia indro hitako nijoro teo an-tendrombohitra Tsiona ny Zanakondry; ary nisy olona 144 000 nomba Azy, samy manana ny anaran'ny Zanakondry sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
Toko 15 Ary hitako nisy famantarana anankiray hafa tany an-danitra, famantarana sady lehibe no mahagaga: dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria amin'ireo loza ireo no hiseho faran'izay mafy indrindra ny haviniran'Andriamanitra.
Toko 16 Dia reko nisy feo mahery avy tao amin'ny tempoly nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, araraho amin'ny tany ny ao anatin'ireo lovia fito feno ny haviniran'Andriamanitra.
Toko 17 Dia nanatona ahy ny anankiray tamin'ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: Avia aty fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin'ny ranobe.
Toko 18 Taorian'izany, dia hitako nisy anjely anankiray hafa koa nidina avy tany an-danitra; nanana fahefana lehibe io anjely io ary nanazava ny tany tontolo ny famirapiratany.
Toko 19 Taorian'izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan'olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'ilay Andriamanitsika;
Toko 20 Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin'ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany.
Toko 21 Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
Toko 22 Dia nasehon'ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin'ilay sezafiandrianana ipetrahan'Andriamanitra sady ipetrahan'ny Zanakondry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0401