Apôkalipsỳ
Toko faha-12
1 Ary nisy famantarana lehibe niseho teny amin'ny habakabaka, dia vehivavy anankiray: ny masoandro no toy ny lamba nisalorany, ny volana no teo an-tongony; ary kintana 12 no satroboninahitra teo amin'ny lohany.2 Bevohoka ilay vehivavy sady mihetsi-jaza ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
3 Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny amin'ny habakabaka: indro nisy dragona mena lehibe, manana loha fito sy tandroka folo, ary misy satroboninahitra iray avy isaky ny lohany.
4 Nifaoka ny ampahatelon'ny kintana eny amin'ny habakabaka ny rambon'ilay dragona, ka nanjera ireny tamin'ny tany. Teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka no nijanonan'ity dragona, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka.
5 Dia teraka ravehivavy ka nahazo zazalahy, izay hifehy ny firenena rehetra amin'ny tehim-by ka nakarina faingana eo anilan'Andriamanitra sy eo anilan'ny sezafiandrianany.
6 Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin'Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1260 andro.
7 Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dragona; ary niady ilay dragona mbamin'ny anjeliny.
8 Kanefa resy ilay dragona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony.
9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satana, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.
10 Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefan'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika.
11 Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.
12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!
13 Rehefa hitan'ilay dragona fa voazera tamin'ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny.
14 Fa nomena eladroan'ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin'ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany, ka ho voaaro amin'ny famelezan'ilay bibilava.
15 Ny vavan'ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy.
16 Kanjo novonjen'ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan'ny vavan'ilay dragona.
17 Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dragona ka lasa nandeha tamin'ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina ilay dragona.