Apôkalipsỳ
Toko faha-19
1 Taorian'izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan'olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'ilay Andriamanitsika;2 fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany, ary efa namaly azy noho ny ran'ireo mpanompon'Andriamanitra efa nalatsany.
3 Dia niteny indray ireo hoe: Haleloia! Fa miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin'ny fandoroana an'i Babilona!
4 Tamin'izay ny loholona 24 sy ny zava-miaina efatra dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin'ilay sezafiandrianana, ka nanao hoe: Amen! Haleloia!
5 Dia nisy feo nivoaka avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: Derao ny Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony sy ianareo manaja Azy, na ny kely na ny lehibe!
6 Ary nisy hoatra ny feon'olona maro, sy hoatra ny firohondrohon'ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakany!
7 Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin'ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny,
8 ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin'ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany. (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon'ny asa ara-drariny vitan'ny vahoakan'Andriamanitra).
9 Tamin'izay dia nisy anjely nanao tamiko hoe: Soraty! Sambatra izay voaantso amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanakondry! Ary hoy koa ny anjely tamiko: Teny marim-pototra avy amin'Andriamanitra ireo!
10 Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin'ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra dia ahariharin'ny fijoroana ho vavolombelon'i Jesoa.
11 Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.
12 Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany.
13 Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: ilay Tenin'Andriamanitra.
14 Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio.
15 Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
16 Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.
17 Ary hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin'ny masoandro. Niantso tamin'ny feo mahery io anjely io ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teny ana habakabaka hoe: Avia, mivoria ianareo ho amin'ny fanasana lehibe ataon'Andriamanitra ho anareo,
18 ka hihinananareo ny nofon'ireo mpanjaka, ny nofon'ireo komandin-tafika, ny nofon'ireo mahery an'ady, ny nofon'ireo soavaly mbamin'ny an'ny mpitaingina azy, ary ny nofon'ny olona rehetra, na mpanompo na tsy mpanompo, na kely na lehibe.
19 Ary hitako nivory ilay biby sy ireo mpanjakan'ny tany mbamin'ny tafiny, mba hiady amin'Ilay mitaingina soavaly fotsy sy amin'ny tafiny.
20 Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan'ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin'ny sariny; ary natsipy velona ho any amin'ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.
21 Ny olona sisa dia matin'ny sabatra nivoaka avy tamin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly fotsy, ka vokin'ny nofony avokoa ny vorona rehetra.