Apôkalipsỳ

Toko faha-10

1 Dia hitako nisy anjely anankiray hafa manan-kery, nidina avy tany an-danitra: ka rahona no toy ny lamba nisalorany; voahodidin'avana ny lohany; namiratra tahaka ny masoandro ny tavany; mivaivay tahaka ny andry afo ny tongony;

2 ary nitana horonamboky kely mivelatra izy teny an-tanany. Nasabakan'io anjely io ny tongony, ka ny ankavanana napetrany teo amin'ny ranomasina ary ny ankavia napetrany teo amin'ny tany.

3 Dia niantso tamin'ny feo mahery sahala amin'ny liona mierona izy; ka nony avy niantso izy, dia nirefodrefotra namaly azy ny kotro-baratra fito.

4 Ary rehefa namaly azy ny kotro-baratra fito, dia ndeha hanoratra aho; kanjo reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Tano ho anao izay voalazan'ny kotro-baratra fito, fa aza soratana!

5 Ary ny anjely, izay efa hitako nijoro teo amin'ny ranomasina sy teo amin'ny tany, dia nanangana ny tanany ankavanana ho amin'ny lanitra

6 sady nianiana tamin'Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin'izay ao aminy, sy ny tany mbamin'izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin'izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: Tsy hisy hataka andro intsony!

7 Fa amin'ny andro hitsofan'ilay anjely fahafito ny trompetrany, dia ho tanteraka ny zava-miafina nalahatr'Andriamanitra, araka ny teny soa nambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony.

8 Ary niteny tamiko indray ilay feo efa reko avy tany an-danitra, nanao hoe: Mandehana, raiso ny horonamboky kely mivelatra eny an-tanan'ilay anjely mijoro eo amin'ny ranomasina sy eo amin'ny tany.

9 Dia nankeny amin'ilay anjely aho ka nanao taminy hoe: Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny! Ary hoy izy tamiko: Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10 Dia noraisiko ilay horonamboky kely teny an-tanan'ny anjely ka nateliko avokoa; ary mamy tahaka ny tantely izay tao am-bavako, nefa nony voateliko dia nangidy tao an-kiboko.

11 Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy mitondra ny hafatr'Andriamanitra indray ianao ny amin'ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565