Apôkalipsỳ
Toko faha-18
1 Taorian'izany, dia hitako nisy anjely anankiray hafa koa nidina avy tany an-danitra; nanana fahefana lehibe io anjely io ary nanazava ny tany tontolo ny famirapiratany.2 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Rava, rava i Babilona lehibe, ka tonga fonenan'ny demony, sy fieren'ny fanahy maloto rehetra, ary fieren'ny vorona amam-biby maloto rehetra halan'ny olona!
3 Fa ilay divain'ny fijangajangany mihoa-pampana no nisotroan'ny firenena rehetra; ka ny mpanjakan'ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpandranto manerana ny tany efa tonga mpanankarena satria tia filibana loatra io tanana io.
4 Dia reko nisy feo iray hafa koa avy tany an-danitra nanao hoe: Miala amin'io tanana io ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiombom-pahotana aminy ary mba tsy hiharan'ny loza hanjo azy;
5 satria efa niavosa nitehika tamin'ny lanitra ny fahotany ary tsy hadinon'Andriamanitra ny hanasazy ny ratsy nataony.
6 Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;
7 toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain'io tanana io anakampony: 'Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!'
8 Noho izany, anatin'ny indray andro monja no hiantontan'ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan'ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
9 Ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga tamin'i Babilona sy niara-niliba taminy dia hitomany azy sy handondon-tratra hisaona azy, rehefa hahita ny setroka vokatry ny fandoroana azy.
10 Hijanona eny lavitra eny izy ireo, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin'i Babilona, ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ry Babilona, tanana lehibe, tanana matanjaka! Satria tanaty adiny iray monja dia niharan'ny sazy ianao!
11 Ny mpandranto manerana ny tany koa dia mitomany sy misaona azy, satria tsy misy mpividy intsony ny entany:
12 dia volamena sy volafotsy; vatosoa sy perla; lamba rongony madinika sy lamba volomparasy; lamba landy sy lamba jaky; hazo mani-pofona isan-karazany; fanaka isan-karazany vita amin'ny ivoary sy hazo sarobidy mbamy halimo sy vy ary vatokaranana;
13 havozomamy sy hodi-kazo manitra; ilomanitra sy miora ary vovo-javamanitra; divay sy diloilo; lafarinina tsara toto sy varimbazaha; omby sy ondry; soavaly sy kalesy; ary mpanompo sy babo.
14 Hoy ireo mpandranto ireo amin'i Babilona: Ny vokatra soa nirin'ny fonao dia efa niala taminao; ary ny zava-tsarobidy sy marevaka rehetra dia efa levona lavitra anao, ka tsy ho hitanao intsony!
15 Ny mpandranto, izay nahazo harena tamin'i Babilona noho ireny entana ireny, dia hijanona eny lavitra eny, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin'i Babilona ka hitomany sy hisaona
16 sady hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ry tanana lehibe, izay nitafy lamba rongony madinika sy lamba volomparasy ary lamba jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla!
17 Satria tanaty adiny iray monja dia foana izany harem-be izany! Ny mpitondra sambo rehetra sy ny mpandeha sambo rehetra amin'iny faritra iny ary ny matilo mbamy izay rehetra manao raharaha eny an-dranomasina, dia nijanona teny lavitra teny koa;
18 ary niantsoantso izy rehetra, raha nahita ny setroka vokatry ny fandoroana an'i Babilona, ka nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanana lehibe izany?
19 Dia nanipy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy ireo sady nitomany sy nisaona ka niantsoantso hoe: Indrisy! Indrisy! Ry tanana lehibe, izay rakotra zava-tsarobidy ka nampahazo harena ny olona rehetra manana sambo eny an-dranomasina! Satria tanaty adiny iray monja dia foana ianao!
20 Mifalia amin'ny manjo an'i Babilona ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan'Andriamanitra mbamy ianareo apostoly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!
21 Ary nisy anjely anankiray manan-kery, naka vato tahaka ny vato lehibe fikoseham-bary, dia nanipy azy tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izay i Babilona, ilay tanana lehibe, ka tsy ho hita intsony!
22 Dia tsy ho re ao aminao intsony ny mozika fanaon'ny mpitendry lokanga sy ny mpihira ary ny mpitsoka sodina sy ny mpitsoka trompetra; tsy ho hita ao aminao intsony ny mpiasa rehetra amin'ny taozavatra isan-karazany; tsy ho re ao aminao intsony ny feon'ny vato fikoseham-bary.
23 Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan'ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon'ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
24 Hatsipy mafy toy izany i Babilona, satria tao aminy no nahitana ny ran'ireo mpaminany sy ny ran'ireo vahoakan'Andriamanitra ary ny ran'izay rehetra novonoina tety ambonin'ny tany!