Apôkalipsỳ
Toko faha-16
1 Dia reko nisy feo mahery avy tao amin'ny tempoly nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, araraho amin'ny tany ny ao anatin'ireo lovia fito feno ny haviniran'Andriamanitra.2 Dia nandeha ny anjely voalohany nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny tany; ka nisy vay mandoza sady mampahory nihatra tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny biby sy nivavaka tamin'ny sariny.
3 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina ny anjely faharoa, ka tonga ra ny ranomasina, dia ra manahaka ny ran'olona novonoina; ary maty avokoa ny miaina rehetra tao aminy.
4 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano ny anjely fahatelo, ka tonga ra ny rano.
5 Ary reko ny anjely manam-pahefana amin'ny rano nanao hoe: Ara-drariny tokoa no nataonao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, dia ilay Masina; ara-drariny tokoa no nataonao raha nitsara toy izany Ianao.
6 Fa ny ran'ireo anisan'ny vahoakan'Andriamanitra sy ny ran'ireo mpaminany no nalatsak'ireny olona ireny; ka dia ra kosa no efa nomenao hosotroiny, ary mendrika azy izany.
7 Dia reko nisy feo avy tao amin'ny alitara nanao hoe: Eny, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy ara-drariny ny fitsaranao!
8 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny masoandro ny anjely fahefatra, ka navela handoro ny olona tamin'ny afony ny masoandro.
9 Ary main'ny hafanana be ny olona; kanefa ny manevateva ny anaran'Andriamanitra Izay manam-pahefana amin'ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny miala amin'ny toe-dratsiny mba hanome voninahitra an'Andriamanitra.
10 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny sezafiandrianan'ilay biby ny anjely fahadimy; ka tonga maizina ny fanjakan'ilay biby ary nanaiki-dela ny olona noho ny fanaintainana.
11 Kanefa ny manevateva ilay Andriamanitra monina ao an-danitra no nataony noho ny fanaintainana sy ny vay nanjo azy fa tsy ny miova toetra miala amin'ny asa ratsiny.
12 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an'ny mpanjaka avy any atsinanana.
13 Ary nisy fanahy maloto anankitelo, tahaka ny sahona, hitako nivoaka avy tany am-bavan'ny dragona sy avy tany am-bavan'ilay biby ary avy tany am-bavan'ilay mpaminany sandoka.
14 Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin'ny mpanjaka eran'ny tany tontolo mba hamory azy ho amin'ny ady hatao amin'ilay andro lehibe hitsaran'Andriamanitra Tsitoha.
15 Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!
16 Dia novorin'ireo fanahy maloto ireo ny mpanjakan'ny tany ho any amin'ilay toerana atao hoe Harmagedona amin'ny teny hebreo.
17 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotra ny anjely fahafito, ka reko nisy feo avy tao amin'ny tempoly; niainga avy teo amin'ny sezafiandrianana ilay feo ka nanao hoe: Vita!
18 Dia nisy tselatra sy kotrokorana aman-kotro-baratra; nisy koa horohorontany mafy, ka tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, satria tena horohorontany mafy sy mahery vaika.
19 Vaky ho telo toko ilay tanana lehibe; rava ireo tananan'ny firenena; tsy hadinon'Andriamanitra ny nanasazy an'i Babilona lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra.
20 Ny nosy rehetra, nanjavona; ny tendrombohitra, tsy hita intsony;
21 ny olona, nilatsahan'ny havandra vaventy avy tany an-danitra, dia havandra milanja tokony ho efapolo kilao ny anankiray. Ary nanevateva an'Andriamanitra ny olona noho ny loza vokatry ny havandra, fa lehibe loatra izany loza izany!