1 Kôrintianina
Toko 1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto aho, ary mamangy anareo koa i Sostena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa.
Toko 2 Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin'Andriamanitra, dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga.
Toko 3 Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin'ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra; fa toy ny amin'ny olona mbola fehezin'ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin'ny olona zazavao amin'ny maha kristianina.
Toko 4 Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra.
Toko 5 Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin'ny hafa firenena akory aza: misy anankiray ainareo manambady renikely.
Toko 6 Raha misy aminareo manana fifanolanana amin'ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin'ny olona tsy mpino fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra?
Toko 7 Ary ny amin'ireo anton-javatra nanoratanareo tamiko dia izao: Tsara ny tsy anambadian'ny lehilahy.
Toko 8 Momba ny hena natao sorona tamin'ny sampy dia izao: Fantatsika fa samy manana fahalalana daholo isika. Saingy ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana kosa mampandroso amin'ny finoana.
Toko 9 Tsy olona afaka ve aho? Tsy apostoly ve aho? Tsy efa nahita an'i Jesoa Tompontsika ve aho? Tsy vokatry ny asako amin'ny fanompoako ny Tompo ve ianareo?
Toko 10 Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin'i Mosesy. Tambanin'ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.
Toko 11 Manafahy ahy ianareo, tahaka ny anafahako an'i Kristy!
Toko 12 Izaho kosa, ry havako, ny amin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina: Iriko ny hahalalanareo ireo fanomezana ireo.
Toko 13 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny fitenin'ny anjely aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia zary varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny.
Toko 14 Iezaho hatrany izay hananana ny fitiavana; nefa irio fatratra koa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, indrindra fa ny milaza hafatra avy amin'Andriamanitra.
Toko 15 Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly izay notoriko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo.
Toko 16 Momba ny famoriam-bola atao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin'ny Fiangonana rehetra any Galatia.