1 Kôrintianina
Toko faha-4
1 Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra.2 Ny hany takina amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky.
3 Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko.
4 Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy.
5 Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.
6 Ry havako, nampihariko tamin'ny tenako sy tamin'i Apolao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan'ilay ohabolana hoe: Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra. Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin'olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa.
7 Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin'ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin'Andriamanitra? Ary raha nandray tamin'Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?
8 Efa tapi-java-nirina ianareo, efa manankarena, tonga mpanjaka, saingy toa tsy noho ny nataonay! Satriko ho tonga mpanjaka tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo.
9 Noheveriko fa izahay apostoly dia nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny mihitsy: mova tsy olona voaheloko ho faty ampahibemaso ka natao ho fizahan'izao tontolo izao na anjely na olona.
10 Izahay moa adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo kosa hendry satria tafaray amin'i Kristy; izahay osa, fa ianareo kosa matanjaka; izahay tsy misy hajany, fa ianareo kosa heni-boninahitra.
11 Mandraka ankehitriny, dia mijalin'ny hanoanana sy hetaheta izahay; tsy manan-kitafy, velesina, tsy manana antom-ponenana.
12 Miasa mafy izahay mba hahavita tena; raha ozonin'olona, dia mirary soa; raha enjehina, dia miaritra;
13 raha endrikendrehina, dia mamaly teny malefaka. Mova tsy tonga fakofakon'izao tontolo izao sy faraidin'ny olona rehetra izahay, mandraka ankehitriny.
14 Tsy ny hanome henatra anareo no anoratako izany, fa ny hananatra anareo, araka ny maha zanaka malalako anareo.
15 Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin'izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin'i Kristy Jesoa tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.
16 Koa miangavy anareo aho: manahafa ahy.
17 Noho izany, dia alefako aty aminareo i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky amin'ny fanompoana ny Tompo. Izy no hampahatsiaro anareo ireo lalana nodiaviko nahatafaray ahy amin'i Kristy Jesoa, araka izay ampianariko amin'ny Fiangonana rehetra hatraiza hatraiza.
18 Nisy manko taminareo nirehareha hoatra ny tsy ho tonga hitsidika anareo iny aho.
19 Kanefa ho avy faingana hitsidika anareo aho, raha sitrapon'ny Tompo; ary tsy izay tenin'ireo mpirehareha no hofantariko fa izay zavatra vitany.
20 Ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy teny foana fa hery mahavita zavatra.
21 Ka asa izay tianareo: ho avy hitsidika anareo aho, ka tsorakazo ve no hoentiko sa fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy?