1 Kôrintianina
Toko faha-10
1 Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin'i Mosesy. Tambanin'ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.2 Natao batisa tao amin'izany rahona sy ranomasina izany izy rehetra mba ho tafaray amin'i Mosesy.
3 Nihinana sakafom-panahy iray ihany izy rehetra;
4 ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin'ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ka izany vatolampy izany dia i Kristy.
5 Kanefa tsy sitrak'Andriamanitra ny ankabeazan-dry zareo ka maty ripaka tany an-taniefitra.
6 Nitranga ireny zavatra ireny ho ohatra fananarana antsika, mba tsy hitsiriritantsika ny ratsy tahaka ny nahavoa an-dry zareo.
7 Aoka ianareo tsy ho mpanompo sampy toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona ary dia nitsangana hilalao.
8 Aoka isika tsy ho mpijangajanga toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay nahafatesana 23 000 indray andro monja.
9 Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.
10 Aoka ianareo tsy himonomonona toy ny nataon'ny sasany tamin'ireny, izay maty naripak'ilay anjely mpandringana.
11 Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin'izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.
12 Koa amin'izany, izay manao ny tenany ho mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina sao lavo.
13 Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan'ny herinareo. Rehefa ianjadian'ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.
14 Noho izany, ry hava-malalako, andosiro ny fanompoan-tsampy.
15 Olona manan-tsaina ianareo no itenenako, ka tsaraonareo izay lazaiko.
16 Ny fisotro isaorantsika an'Andriamanitra, moa tsy mampiombona antsika amin'ny ran'i Kristy ve izany? Ary ny mofo izay ifanapahantsika, moa tsy mampiombona antsika amin'ny tenan'i Kristy ve izany?
17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza, noho isika rehetra miombona anjara amin'ny mofo iray ihany.
18 Jereo ny vahoaka Israely ara-tantara: Ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona dia miombona amin'Andriamanitra Izay nanokanana ny alitara fisoronana.
19 Inona ary no holazaiko? Moa tena zavatra ihany ve ny sampy na ny hena atao sorona ho an'ny sampy?
20 Tsia, fa ny zavatra atao sorona amin'ny sampy dia aterina ho an'ny demony fa tsy ho an'Andriamanitra; ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony ianareo.
21 Tsy azonareo atao ny hisotro ny fisotro aroson'ny Tompo no sady hisotro ny fisotro aroson'ny demony; tsy azonareo atao ny hiombona anjara amin'ny sakafo aroson'ny Tompo no sady hiombona anjara amin'ny sakafo aroson'ny demony.
22 Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?
23 Azo atao ny zavatra rehetra, hoy aho, kanefa tsy ary mahasoa avokoa. Azo atao ny zavatra rehetra, hoy aho, kanefa tsy ary mampandroso amin'ny finoana avokoa.
24 Aza ny soa ho an'ny tena no katsahina fa ny ho an'ny namana.
25 Hano avokoa izay hena amidy eny an-tsena, fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretana;
26 satria an'ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy, hoy ny Soratra Masina.
27 Raha asain'ny tsy mpino hisakafo ianareo, ka manaiky hankany, dia hano izay arosony anareo fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretanareo.
28 Kanefa raha ilazan'olona ianareo hoe: Hena natao fanatitra tany amin'ny sampy io, dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana;
29 tsy ny fieritreretanareo tsy akory izany lazaiko izany, fa ny an'ilay niteny taminareo. Fa nahoana kosa moa, hoy ny sasany, no hofeperan'izay fieritreretan'olon-kafa ny fahafahako?
30 Raha isaorako an'Andriamanitra izany sakafo haniko izany, nahoana no dia hanomezan-tsiny ahy amin'ny hanina izay isaorako an'Andriamanitra?
31 Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
32 Aza manao izay hahasolafaka olona amin'ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena na ny Fiangonan'Andriamanitra.
33 Mba manaova tahaka ahy, fa iezaho izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra; ka tsy ny soa ho an'ny tenako no katsahiko, fa ny ho an'ny besinimaro, mba ho voavonjy izy rehetra.