1 Kôrintianina

Toko faha-12

1 Izaho kosa, ry havako, ny amin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina: Iriko ny hahalalanareo ireo fanomezana ireo.

2 Fantatrareo fa fony mbola tsy kristianina ianareo, dia voasintona tany amin'ny sampy moa araka izay nitaomana anareo.

3 Koa ampahafantariko anareo fa tsy misy olona tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra ka hiteny hanao hoe: Voaozona i Jesoa! Ary tsy misy koa afaka hilaza hoe: I Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin'ny Fanahy Masina.

4 Voazarazara ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy Masina dia iray ihany.

5 Voazarazara ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.

6 Voazarazara ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, loharano ipoiran'ny asa rehetra ao amin'ny olona rehetra.

7 Samy omena fanomezana maneho ny Fanahy Masina ny olona tsirairay ho fanasoavana ny daholobe.

8 Ny anankiray dia omen'ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany teny feno fahalalana.

9 Ny anankiray omen'izany Fanahy izany finoana; ary ny anankiray omen'izany Fanahy izany fanomezam-pahasoavana hanasitrana marary.

10 Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra.

11 Izany Fanahy iray izany ihany no loharano ipoiran'ireo fanomezana rehetra ireo, ka mizarazara azy, araka izay sitrapony, amin'ny olona tsirairay.

12 Eny, iray ny tena kanefa misy zavatra maro ao aminy: dia toy izany koa i Kristy. Fa ireo zavatra rehetra anisan'ny tena ireo, na maro aza, dia tena iray ihany.

13 Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.

14 Eny, ny tena dia tsy zavatra karazana iray monja no mamorona azy fa maro.

15 Raha ny tongotra hanao hoe: Tsy tanana aho ka tsy mba isan'ny tena, dia tsy izay akory no tsy haha isan'ny tena azy.

16 Raha ny sofina hanao hoe: Tsy maso aho, ka tsy mba isan'ny tena, dia tsy izay akory no tsy haha isan'ny tena azy.

17 Raha maso ny tena manontolo, ahoana no handrenesany? Ary raha sofina ny tena manontolo, ahoana no hanamboloany?

18 Eny, efa voalahatr'Andriamanitra araka izay nitiavany azy avy eo amin'ny tena ireo zavatra anisan'ny tena ireo.

19 Tsy ho nisy ny tena, raha karazana iray monja ny zavatra rehetra anisan'ny tena.

20 Eny, maro ny zavatra anisan'ny tena, kanefa ny tena dia iray ihany.

21 Ny maso tsy afaka hilaza amin'ny tanana ila hoe: Tsy ilaiko ianao! Ary ny loha tsy afaka hilaza amin'ny tongotra roa hoe: Tsy ilaiko ianareo!

22 Fa vao mainka aza ireo heverina ho osa kokoa amin'ny zavatra anisan'ny tena no ilaina kokoa;

23 ireo zavatra anisan'ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika no hajaintsika kokoa;

24 fa ny misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika dia tsy mila izany. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tenantsika, dia izay kely voninahitra kokoa amin'ny zavatra anisan'ny tena no efa nataony homem-boninahitra kokoa;

25 hany ka tsy misy fisaratsarahana eo amin'ny tena, fa mifampiahy avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena.

26 Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena.

27 Ianareo rehetra no tenan'i Kristy; ianareo tsirairay kosa dia anisan'io tenany io araka ny anjaranareo avy.

28 Ary ao amin'ny Fiangonana dia izao no nandaharan'Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apostoly; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra.

29 Izy rehetra tsy akory tsy hoe apostoly avokoa na mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, na mpampianatra. Izy rehetra tsy akory tsy hoe nandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga avokoa,

30 na hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra na hanazava izany.

31 Kanefa ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra no irio fatratra. Ary dia ny lalana faran'izay tsara indrindra no hatoroko anareo izao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584