1 Kôrintianina

Toko faha-14

1 Iezaho hatrany izay hananana ny fitiavana; nefa irio fatratra koa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina, indrindra fa ny milaza hafatra avy amin'Andriamanitra.

2 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny miantefa amin'ny olona fa miantefa amin'Andriamanitra, satria tsy azon'olona izay teneniny fa herin'ny Fanahy Masina no anambarany zava-miafina;

3 fa izay milaza hafatra avy amin'Andriamanitra kosa dia miteny miantefa amin'ny olona mba hampandroso azy ireo amin'ny finoana ary koa hankahery sy hampionona azy ireo.

4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia ny tenany fotsiny no ampandrosoiny amin'ny finoana; fa izay milaza hafatra avy amin'Andriamanitra kosa dia ny fiangonana no ampandrosoiny amin'ny finoana.

5 Satriko ny samy hitenenanareo rehetra amin'ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko ny hilazanareo hafatra avy amin'Andriamanitra. Fa izay milaza hafatra avy amin'Andriamanitra dia ambony kokoa noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, raha tsy hoe misy olona afaka manazava izay lazainy mba hampandroso ny mpiangona amin'ny finoana.

6 Koa manontany anareo aho, ry havako: raha mankaty aminareo aho ka fiteny tsy fantatra no itenenako aminareo, moa hahasoa anareo ve aho? Tsy hahasoa anareo aho raha tsy fanambarana, na teny feno fahalalana, na hafatra avy amin'Andriamanitra, na fampianarana no itenenako aminareo.

7 Raiso ho ohatra ireo zavamaneno tsy manana aina, toy ny sodina na ny valiha. Raha tsy re mazava sady miavaka tsara ny feo avoakany, moa ve hisy hahalalana ny hira atao aminy avy?

8 Ary raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hioman-kiady?

9 Dia toy izany koa ianareo: ahoana no hahazoan'ny olona izay lazainareo, raha tsy mazava ny hafatra ambaranareo amin'ny fiteny tsy fantatra? Dia hanao teny entin-drivotra ianareo!

10 Maro samy hafa ny fiteny eto amin'izao tontolo izao, kanefa samy misy heviny avokoa.

11 Ka raha tsy fantatro ary ny hevitry ny fiteny iresahan'olona amiko, dia ho vahiny amin'ilay olona miresaka amiko aho ary ho vahiny amiko ilay olona miresaka amiko.

12 Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.

13 Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa.

14 Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko.

15 Ahoana ary no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa.

16 Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly Amen ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao.

17 Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana.

18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra.

19 Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

20 Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin'ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin'ny fisainana dia aoka ho olondehibe.

21 Fa izao no voalaza ao amin'ny Soratra Masina: Olona hafa fiteny no hitenenako amin'ity vahoaka ity, hoy ny Tompo, vavan'ny vahiny no hiresahako aminy! Nefa, na dia amin'izany aza, dia tsy hohenoiny Aho.

22 Koa ny fanomezana hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia famantarana ho an'ny tsy mpino, fa tsy famantarana ho an'ny mpino; ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra kosa dia famantarana ho an'ny mpino, fa tsy famantarana ho an'ny tsy mpino.

23 Koa raha vory daholo ny mpiangona, ka fiteny tsy fantatra no itenenan'ny olona rehetra, ary misy miditra ao aminareo ny mbola tsy mahalala na ny tsy mpino, tsy holazainy ve fa very saina ianareo?

24 Fa raha samy milaza hafatra avy amin'Andriamanitra kosa ny olona rehetra, ka miditra ny tsy mpino na ny mbola tsy mahalala, dia hiaiky ho diso sy meloka izy noho ny anatra ataon'ny olona rehetra;

25 hiseho miharihary ny zavatra takona ao am-pony, ka hiankohoka hivavaka amin'Andriamanitra izy sady hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra.

26 Ahoana ary no izy, ry havako? Raha miangona ianareo, dia misy manana hira, misy manana fampianarana, misy manana fanambarana, misy milaza hafatra amin'ny fiteny tsy fantatra ary misy manazava izany: aoka ny zavatra rehetra hatao mba hampandroso ny mpiangona amin'ny finoana.

27 Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha be dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy anankiray manazava izany.

28 Fa raha tsy misy olona manazava, dia aoka samy hangina izy ireo mandritra ny fiaraha-miangona, ka ny tenany sy Andriamanitra ihany no hitenenany.

29 Ary ny amin'ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny fa ny sisa kosa mamantatra izay lazainy.

30 Raha misy mahazo fanambarana avy amin'Andriamanitra anefa amin'ireo izay mipetraka, dia aoka hangina ilay efa miteny.

31 Mahazo mifandimby milaza hafatra avy amin'Andriamanitra ianareo rehetra, mba hahazoan'ny daholobe fampianarana sy fampirisihana.

32 Ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra dia aoka hifehy ny fanomezana voarainy,

33 satria Andriamanitra tsy mba loharanon'ny fikorontanana fa loharanon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny Fiangonana rehetra eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra,

34 dia aoka hangina ireo vehivavy mandritra ny fiaraha-miangona, satria tsy azony atao ny miteny; fa aoka hanoa izy ireo araka ny voalazan'ny bokin'ny lalana rahateo.

35 Raha te hamotopoto-javatra izy, dia aoka samy hanontany ny vadiny any an-trano; fa tsy sahaza raha vehivavy no hiteny mandritra ny fiaraha-miangona.

36 Ianareo ve no nipoiran'ny tenin'Andriamanitra sa ianareo no hany nahatongavany?

37 Raha misy mihambo ho mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra na mpanana fanomezana avy amin'ny Fanahy Masina, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo izao soratako aminareo izao.

38 Fa raha misy tsy miraharaha izany, dia tsy miraharaha azy ny Tompo.

39 Koa amin'izany, ry havako, irio mafy ny hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, saingy aza rarana ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.

40 Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1161