1 Kôrintianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voaantso ho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto aho, ary mamangy anareo koa i Sostena havantsika. Voatokana ho an'Andriamanitra sy voaantso ho anisan'ny vahoakany ianareo satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa. Eny, anisan'ny vahoakan'Andriamanitra ianareo miaraka amin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza, fa sady Tompon'izy rehetra i Kristy no Tompontsika koa.3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!
4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin'i Kristy Jesoa.
5 Eny, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin'ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra.
6 Izay nijoroana ho vavolombelona momba an'i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo,
7 ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
8 Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika.
9 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin'ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
10 Ry havako, izao no iangaviako anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika: mifanaraha ianareo rehetra, ary aza mifanao an-kolafiny; aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara.
11 Nisy avy tamin'ny ankohonan'i Kloa manko efa nitatitra tamiko ny aminareo, fa hoe misy adiady eo aminareo.
12 Izao no tiako holazaina: Samy miteny izay teneninareo ianareo, ka ny anankiray manao hoe: Izaho an'i Paoly; ary hoy kosa ny anankiray: Izaho an'i Apolao; misy kosa manao hoe: Izaho an'i Petera; ary hoy indray ny hafa: Izaho an'i Kristy.
13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy? I Paoly ve no voahombo teo amin'ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no nanaovana batisa anareo?
14 Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio.
15 Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin'ny anarako.
16 (Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan'i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.)
17 Izaho manko tsy nirahin'i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin'ny fahendren'olombelona asehon'ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana.
18 Eny, ny fitoriana momba an'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19 Fa izao no ambaran'ny Soratra Masina: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, holaviko ny fahaizan'ny mahay.
20 Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalana? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy efa nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?
21 Fa ny fahendren'olombelona dia tsy nahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra na dia teo amin'izay nihariharian'ny fahendren'Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak'Andriamanitra ho tamin'ny alalan'ny hafatra miendrika fahadalana izay torinay no hamonjena ny olona izay mino.
22 Eny, mitaky famantarana avy amin'Andriamanitra ny Jiosy, ary ny Grika mitady fahendrena;
23 izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torinay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena.
24 Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra;
25 satria izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.
26 Mba mijere tena ange ianareo izay voaantson'Andriamanitra, ry havako: araka ny maha olombelona, dia tsy misy firy ianareo no olon-kendry, tsy misy firy no mahery, tsy misy firy no avo razana.
27 Kanefa izay noheverin'izao tontolo izao ho adala no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin'izao tontolo izao ho osa no voafidin'Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka;
28 ary izay noheverin'izao tontolo izao ho ambany sy fanaratsy, dia izay ataony tsy ho zavatra, no voafidin'Andriamanitra hahatsinontsinona izay ataon'izao tontolo izao ho zavatra,
29 mba tsy hisy mihitsy olombelona mahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30 Fa nataon'Andriamanitra tafaray amin'i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan'Andriamanitra ary anafahan'Andriamanitra antsika amin'ny fahotana.
31 Noho izany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, izay mirehareha, dia ny nataon'ny Tompo no aoka hireharehany.