Lioka
Toko faha-7
11 Taorian'izany i Jesoa dia nankany amin'ny tanana atao hoe Naina ary notronin'ireo mpianany sy vahoaka maro.12 Rehefa tonga teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanana no niaraka taminy.
13 Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!
14 Dia nanatona Izy ary nanendry ny tranovorona, ka nijanona ny mpilanja. Ary hoy i Jesoa hoe: Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mifohaza!
15 Dia indro ny maty fa niarina sy nanomboka niteny ary natolotr'i Jesoa an-dreniny.
16 Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa najoron'Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!
17 Dia niely eran'i Jodea manontolo mbamin'ny faritany manodidina rehetra ny lazan'i Jesoa.
18 Ary i Johany Mpanao batisa nilazan'ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin'ireo mpianany
19 sy naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanontany hoe: Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?
20 Nony tonga tany amin'i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe: I Johany Mpanao batisa no naniraka anay hankaty aminao hanontany hoe: Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?
21 Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.
22 Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe: Ndeha ambarao amin'i Johany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
23 Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!
24 Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Johany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Bararata hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia!
25 Fa hizaha inona ary no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin'ny fiainana, dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka!
26 Koa hizaha inona ary no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza.
27 Fa i Johany no ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Indro alefako hialoha Anao ny irako, hoy Andriamanitra, mba hanomana ny lalan-kombanao!
28 Tsy misy lehibe noho i Johany amin'ny tera-behivavy; nefa lazaiko aminareo fa izay kely indrindra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29 Ary ny vahoaka rehetra izay nandre an'i Johany, mbamin'ny mpamory hetra aza, dia nanaiky an'Andriamanitra ho marina ka niroso hataon'i Johany batisa.
30 Ny Farisianina sy ny mpahay lalana kosa nitsipaka ny fikasan'Andriamanitra ka nanda tsy hataon'i Johany batisa.
31 Dia hoy indray i Jesoa: Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Zovy no mety hampitahana azy?
32 Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen'ny namany tsiny hoe: Ianareo itsofanay sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!
33 Fa tonga i Johany Mpanao batisa, tsy mofo haniny tsy divay sotroiny, nefa lazainareo hoe: Ondranondranana!
34 Tonga indray ny Zanak'olona mihinana sy misotro, nefa lazainareo hoe: Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota!
35 Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia eken'ireo zanany rehetra ho marina!
36 Nisy Farisianina nanasa an'i Jesoa hiara-misakafo aminy, koa nandroso tao aminy Izy ary naka toerana.
37 Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanana. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin'ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran'ny tavoahangy alabasitra;
38 ka indro izy nankeo ivohon'i Jesoa ary nitomany dia nitomany teo an-tongony. Kotsan'ny ranomaso ny tongotr'i Jesoa ka nofaohin-dravehivavy tamin'ny volon-dohany, norokorohany tamim-pitiavana ary nohosorany an'ilay ilomanitra.
39 Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an'i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran'io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.
40 Ary i Jesoa niteny taminy hoe: Simona o, misy zavatra tiako holazaina aminao! Dia hoy i Simona hoe: Lazao ary hoe, ry Mpampianatra!
41 Ka hoy i Jesoa taminy: Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin'izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denary dimanjato, ny iray denary dimampolo.
42 Samy tsy nanan-kandoavana anefa izy roa lahy ka dia nafoin'ny mpampisambotra ny trosa rehetra rehetra. Iza amin'izy roa lahy, hoy ianao, no ho tia azy kokoa?
43 Dia novalian'i Simona hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Ka hoy i Jesoa taminy: Marina ny hevitrao!
44 Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy.
45 Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro.
46 Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro.
47 Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.
48 Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao!
49 Ireo niara-nisakafo tamin'i Jesoa dia nanao anakampo hoe: Iza moa ity no mamela heloka?
50 Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy: Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha ary ka veloma finaritra!
Toko faha-8
1 Taorian'izany, lasa nitety tanan-dehibe sy tanana kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra. Niaraka tamin'i Jesoa ny 12 lahy2 ary koa ireo vehivavy sasany izay nositraniny tamin'ny fanahy maloto sy ny aretina: dia i Maria, antsoina hoe Magdalena, izay nialana demony fito,
3 sy i Johanina, vadin'i Koza mpitandrim-pananan'i Heroda, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an'i Jesoa sy ny mpianany tamin'ny fananany.
4 Nirohotra avy any amin'ny tanana samihafa ny olona hanatona an'i Jesoa, hany ka vahoaka betsaka no tafangona teo aminy. Dia niteny Izy nanao izao fanoharana izao:
5 Niainga ity mpamafy hamafy voa. Nony namafy izy, ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dalana ka voahosin'ny mpandalo ary lanin'ny voro-manidina;
6 ny voa sasany kosa latsaka teny ambony vatolampy, ka vao naniry dia nalazo satria tsy ampy hamandoana;
7 ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo, ka niara-naniry tamin'ny tsilo dia voageja;
8 ary ny voa sasany latsaka tamin'ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny. Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
9 Nanontanian'ny mpianany ny dikan'ilay fanoharana i Jesoa,
10 ka namaly hoe: Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakan'Andriamanitra; fa ho an'ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.