1 Mpanjaka
Toko faha-13
14 Narahin'io mpaminany io ny lalan'ilay olon'Andriamanitra ka tratrany izy, raha iny nipetraka teo ambanin'ny hazo lehibe iray iny, ary nanontaniany hoe: Ianao ve ilay olon'Andriamanitra avy any Joda? Ka novaliany hoe: Eny, izaho no izy.15 Dia hoy indray ity mpaminany taminy: Andao hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-javatra kely.
16 Fa hoy izy namaly: Tsia, tsy mahazo miverin-dalana hiaraka aminao aho ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano aminao aty;
17 satria izao no tenin'ny TOMPO tamiko: Aza mihinan-kanina na misotro any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18 Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo nandainga taminy izy.
19 Dia niverina niaraka taminy ihany ilay olon'Andriamanitra, ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 Fa raha mbola nipetraka nihinana izy roa lahy, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ilay mpaminany antitra nampiverin-dalana;
21 ary izy io kosa niteny mafy tamin'ilay olon'Andriamanitra avy any Joda hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Noho ianao tsy nankato ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrao ary tsy nitandrina ny didy izay nomeny anao,
22 noho ianao niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'ny TOMPO anao hoe: 'Aza mihinan-kanina na misotro rano any', dia ho faty ianao kanefa tsy hiditra am-pasan-drazanao ny fatinao.
23 Rehefa avy nihinana sy nisotro izy roa lahy, dia nasian'ilay lahiantitra lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany voataonany hiverina teo iny.
24 Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin'izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin'ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany.
25 Rehefa hitan'ny mpandalo ny faty niampatra teo amin'ny lalana sy ny liona nijanona teo anilany, dia lasa ireo nitantara izany tany amin'ny tanana izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra.
26 Nony nandre izany ity mpaminany nampiverin-dalana azy, dia nilaza hoe: Ilay olon'Andriamanitra tsy nankato ny baikon'ny TOMPO izay; fa natolotry ny TOMPO ho an'ny liona izy ka noviravirainy sy nataony maty araka ny teny izay nambaran'ny TOMPO taminy.
27 Avy eo dia hoy ity lahiantitra tamin'ireto zanany: Asio lasely ny borikiko! Nony voaisy lasely ny boriky,
28 dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin'ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.
29 Dia nobatain'ilay mpaminany antitra ny fatin'ilay olon'Andriamanitra ka nakariny teo ambony boriky ary nentiny niverina tany an-tananany mba hanaovany fisaonana sy fandevenana.
30 Dia naleviny tao am-pasany ny faty ka nitomanian'ny olona an-kira hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31 Taorian'ny fandevenana dia hoy ilay mpaminany antitra tamin'ireo zanany: Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana ilevenan'io olon'Andriamanitra io, ka ataovy eo anilan'ny taolambalony ny taolambaloko.
32 Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay hafatra nataony antso avo araka ny tenin'ny TOMPO ho fanoherana ny alitara ao Betela sy ny trano rehetra amin'ny toeram-panasinana manerana ireo tananan'i Samaria.
33 Na teo aza anefa izany, dia tsy nanitsy fitondrantena i Jerobohama, fa mbola nanendry olon-kafa ho mpisorona amin'ny toeram-panasinana hatrany izy; ka izay olona te hanao izany, dia natokany mba ho mpisorona amin'ireny toeram-panasinana ireny.
34 Tonga fahotan'ny fianakavian'i Jerobohama izany ka nahafongotra sy naharingana azy tanteraka teto ambonin'ny tany.
Toko faha-14
1 Tamin'izany andro izany, dia narary i Abia zanakalahin'i Jerobohama.2 Ary hoy i Jerobohama tamin'ny vadiny: Ndeha re miova endrika ianao mba tsy ho fantatr'olona ho vadiko; dia mankanesa any Silao izay misy an'i Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho tonga mpanjakan'ity firenena Israely ity aho.
3 Mitondra mofo folo sy mofomamy ary tantely iray tavoara, dia mankanesa ao aminy, fa hambarany aminao izay hanjo ity zanatsika ity.
4 Dia nataon'ny vadin'i Jerobohama izany; ka niainga nankany Silao izy ary niditra tao an-tranon'i Ahia. Tsy nahita intsony anefa ny mason'i Ahia noho ny fahanterany;
5 saingy ny TOMPO kosa efa nilaza taminy hoe: Indro ho avy hanontany anao ny momba an-janany marary ny vadin'i Jerobohama; ka izao sy izao avy no holazainao aminy, satria hody olon-kafa izy rehefa tonga.
6 Koa rehefa ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongo-dravehivavy nandingana ny tokonam-baravarana, dia hoy izy hoe: Mandrosoa, ry vadin'i Jerobohama, fa nahoana ianao no mody olon-kafa? Nirahina hanambara vaovao ratsy aminao aho.
7 Koa mandehana ka lazao amin'i Jerobohama fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Efa nasandratro avy tamin'ny sarambaben'olona ianao ary notendreko ho filohan'i Israely vahoakako;
8 efa nesoriko ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao; nefa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony manontolo ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko.
9 Fa ratsy kokoa noho izay vitan'ireo rehetra talohanao no nataonao, satria namboatra andriamani-kafa sy sarivongana voarendrika hampahatezitra Ahy ianao ary efa nanilika Ahy any ivohonao.
10 Izany no hampiharako loza amin'ny fianakavianao, ry Jerobohama; ka handringanako ny lehilahy rehetra amin'ny taminganao na zaza na olon-dehibe manerana an'i Israely, ary hofafako tanteraka toy ny famafa fako ny sisa amin'ny fianakavianao.
11 Koa izay taminganao maty ao an-tanana dia hohanin'ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina. Izany no efa nambaran'ny TOMPO.
12 Dia hoy indray i Ahia mpaminany hoe: Ianao kosa, ry vadin'i Jerobohama, mitsangana ka modia any an-tranonao; fa raha vantany vao mandia ny tanana ny tongotrao, dia ho faty io zanakao lahy io.
13 Dia hanaovan'ny vahoaka Israely rehetra fisaonana izy ka haleviny. Fa izy irery amin'ny taranak'i Jerobohama rehetra no halevina am-pasana, satria izy irery ihany tamin'izany fianakaviana izany no mba nahitan'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely zavatra tsara.
14 Ary ny TOMPO dia hanangana ho an'i Israely mpanjaka vaovao, izay handringana ny taranak'i Jerobohama. Amin'ity andro anio ity izany. Ahoana hoe? Izao ankehitriny izao ihany izany.
15 Ny TOMPO hamely ny Israelita ka hampipararetra azy toy ny volotara hetsiketsehan'ny rano sady hanongotra azy amin'ity tany soa izay nomeny ny razany ity ary hanely azy any an-dafin'ny ony Eofrata, satria nanao tsatokazo fanajana an'i Asera izy ka nampahatezitra ny TOMPO.
16 Hanolotra an'i Israely amim-pahavalo Izy noho ireo fahotana nataon'i Jerobohama sady nampanaoviny an'i Israely.
17 Dia nitsangana ny vadin'i Jerobohama ka lasa ary tonga tany Tiritsa. Koa rehefa nanitsaka ny tokonam-baravaran'ny tranony izy, dia maty ilay zanany lahy.
18 Dia nalevina io sady nanaovan'ny vahoaka Israely rehetra fisaonana, araka ny tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Ahia mpaminany mpanompony.
19 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jerobohama ary koa ny ady nataony sy ny fomba nanjakany dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
20 Ny nanjakan'i Jerobohama dia naharitra 22 taona; ary rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia i Nadaba zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
21 Feno 41 taona i Rehabohama zanakalahin'i Salomona fony vao nanjaka tamin'i Joda; ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, dia ilay tanana nofidin'ny TOMPO tamin'ireo fokon'i Israely rehetra mba hampitoerany ny voninahiny. Ny anaran-dreniny dia i Nahama, izay hamonita.
22 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ny mponin'i Joda ka ny fahotana vitany nampahasaro-piaro Azy mihoatra noho ny fahotana vitan'ny razany.
23 Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an'i Asera teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny.
24 Ary nisy aza lehilahy sy vehivavy izay nitolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany, ka narahiny avokoa ny zava-maharikoriko rehetra fanaon'ny firenena izay efa noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.
25 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Rehabohama dia niakatra i Sisaka mpanjakan'i Ejipta mba hamely an'i Jerosalema,
26 ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapan'ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra nataon'i Salomona.
27 Ho solon'ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben'ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran'ny lapan'ny mpanjaka, no nanankinany azy.
28 Ary na oviana na oviana nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'ny TOMPO, dia naka ireo ampinga ireo ny mpiambina ka avy eo namerina azy ho ao an'efitranon'ny mpiambina indray.
29 Ny sisa amin'ny tantaran'i Rehabohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.