Jôela
Toko 1 Izao no tenin'ny TOMPO tamin'i Joela zanakalahin'i Petoela.
Toko 2 Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiona tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin'ity tany ity, fa avy ny andron'ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.
Toko 3 Dia hoy ny TOMPO hoe: Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny olombelona rehetra Aho, ka haminany ny zanakalahinareo mbamin'ny zanakavavinareo, hanonofy ny lahiantitrareo ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
Toko 4 Amin'izany andro izany indrindra, hoy ny TOMPO, dia haveriko amin'ny toetrany taloha i Joda sy i Jerosalema.