Jôela

Toko faha-2

1 Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiona tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin'ity tany ity, fa avy ny andron'ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.

2 Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.

3 Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan'ny fahatongavany dia toy ny zaridainan'i Hedena ny tany; taorian'ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan'ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

4 Fa tahaka ny soavaly izy ary mihazakazaka toa soavaly miriotra.

5 Tahaka ny firodorodon'ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin'ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady.

6 Mangovitra eo anoloany ny vahoaka, ka tera-mena avokoa ny endriny.

7 Tahaka ny lehilahy mahery ny fihazakazahany ary tahaka ny miaramila mpiady ny fianihany manda. Samy mandeha amin'izay hitsiny izy, fa tsy mivilivily lalana.

8 Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin'ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan'izany.

9 Mamakivaky ny tanana izy, mihazakazaka eny amin'ny manda; mianika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.

10 Eo anoloany dia mihorohoro ny tany, mipararetra ny lanitra, mihamaizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamiratra intsony ny kintana.

11 Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra eo alohan'ny tafiny. Marobe sy matanjaka ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony. Fa lehibe ny andron'ny TOMPO; mahatahotra indrindra izany ka tsy hisy hahatanty.

12 Hoy ny teny hentitry ny Tompo: Dieny ankehitriny, miverena amiko amin'ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.

13 Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay. Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.

14 Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.

15 Tsofy ao Tsiona ny anjomara, manokana andro fifadian-kanina, ary miantsoa fivoriambe.

16 Atobio miaraka ny vahoaka, manokana fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin'ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.

17 Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO! Eo anelanelan'ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: TOMPO o, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baraka ny olonao na holatsain'ny hafa firenena hoe: Aiza izay Andriamanitrareo?

18 Tia ny taniny ny TOMPO sady miantra ny vahoakany

19 ka mamaly vavaka azy hoe: Handefa varimbazaha sy divay ary menaka ho anareo AHO. Ho vokin'izany ianareo ka tsy havelako intsony holatsain'ny hafa firenena.

20 Horoahiko lavitra anareo ny fahavalonareo avy any avaratra ka halefako any an-taniefitra sy karankaina; any amin'ny Ranomasina Maty no hazerako ny lohalalany, ary any amin'ny Ranomasina Mediteranea no hatsipiko ny vodilalany. Fofon-dratsy no hiakatra avy amin'ny fatin'ireo ka hanamaimbo ny rivotra. Eny, zava-dehibe toy izany no nataon'ny TOMPO taminareo.

21 Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravo sy mifalia ianao fa manao zava-dehibe ny TOMPO.

22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.

23 Ary ianareo, ry mponin'i Tsiona, miravoravoa sy mifalia amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny oram-pararano sahaza no omeny anareo; alatsany aminareo toy ny fahiny koa ny ranonorana mivatravatra, dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.

24 Koa feno varimbazaha ny famoloana; ary mitosaka ny divay sy menaka ka mihoatra ny vata fanantazana azy.

25 Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin'ny fanday sy ny valala mbamin'ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.

26 Hihinan-ko voky ianareo ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanao zava-mahagaga taminareo. Ary ny vahoakako, na oviana na oviana, dia tsy ho menatra intsony.

27 Ary hiaiky ianareo fa eo afovoanareo Israelita Aho, ka ny TOMPO Andriamanitrareo dia Izaho fa tsy hafa. Ary ny vahoakako, na oviana na oviana, dia tsy ho menatra intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0602