Jôela

Toko voalohany

1 Izao no tenin'ny TOMPO tamin'i Joela zanakalahin'i Petoela.

2 Mba henoy izao, ry loholona; ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra eto Joda. Efa nisy toy izao ve tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo?

3 Tantarao amin'ny zanakareo izao, dia hotantarainy amin'ireo zanany; ary ireto kosa hitantara izany amin'ny taranaka mandimby azy.

4 Izay tsy lanim-panday, hanim-balala; izay tsy lanim-balala, hanim-boangory; ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.

5 Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradra ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.

6 Fa misy andiam-bibikely miakatra mamely ny tanintsika; Tsy hita isa sady mahery ireo, ary mpandravarava sy mpandevona toy ny nifin'ny lion-dahy na toy ny vazan'ny liom-bavy.

7 Nosimbany ny voaloboko ary nopotehiny ny aviaviko. Nokikisany sy nohodirany ireny mandra-pahafotsy ny rantsany.

8 Midradradradra ianareo, toy ny vehivavy tanora misaona noho ny amin'ny vady izay vao nampakatra azy.

9 Tsy misy entina intsony ao an-tranon'ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO.

10 Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny oliva.

11 Malahelova ianareo mpiasa tany, midradradradra ianareo mpamboly voaloboka; ny amin'ny vary sy ny orza, dia levona ny vokatry ny saha.

12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavimbazaha; toraka izany koa ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihalefy ny fifaliana teo anivon'ny olombelona.

13 Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradra, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara. Avia ianareo hialina amin'alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin'Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon'Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.

14 Manokana andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin'ny tany ho ao an-tranon'ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin'ny TOMPO.

15 Indrisy efa antomotra ny andro, dia ny androm-pahatezeran'ny TOMPO izay ho tahaka ny fandringanana avy amin'ilay Andriamanitra Tsitoha.

16 Teo imasontsika teo no nanafoanana ny hanintsika; ary lavitry ny tranon'Andriamanitsika ny fifaliana amam-piravoravoantsika?

17 Maina tao ambanin'ny bainga ny voa; foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizana fa tsy misy intsony ny vary.

18 Indrisy fa mitoreo ny biby! Mihoalahoala ny andian'omby, satria tsy misy ahitra ho azy. Eny, mihareraka hatramin'ny andian'ondry aza.

19 TOMPO o, mitaraina aminao aho fa levon'ny afo ny kijana any an-taniefitra; ary misy lelafo mandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

20 Na dia ny bibidia aza mitodika miandrandra Anao, satria ritra ny renirano ary levon'ny afo ny kijana any an-taniefitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056