Jôela

Toko faha-3

1 Dia hoy ny TOMPO hoe: Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny olombelona rehetra Aho, ka haminany ny zanakalahinareo mbamin'ny zanakavavinareo, hanonofy ny lahiantitrareo ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.

2 Na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany.

3 Hampiseho zava-mahagaga eny amin'ny lanitra sy ety amin'ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.

4 Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana mialoha ny hiavian'ny andron'ny TOMPO izay andro lehibe sady mahatahotra.

5 Ary na iza na iza hiantso ny anaran'ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiona sy ao Jerosalema, araka ny voalazan'ny TOMPO, dia hisy sisa afaka, dia izay nantsoiny hoanisan'ireo velona aina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725