Jôela

Toko faha-4

1 Amin'izany andro izany indrindra, hoy ny TOMPO, dia haveriko amin'ny toetrany taloha i Joda sy i Jerosalema.

2 Hangoniko ny hafa firenena rehetra ka hampidiniko avokoa ho eo amin'ny lohasaha atao hoe Ny TOMPO no mitsara. Eo no hitsarako azy noho izay rehetra nataony tamin'i Israely vahoakako sy fananako, ka nampielezany azy tany amin'ny firenen-kafa sy nizarazarany ny taniko.

3 Nanaovany an-tsapaka ny vahoakako; ka zazalahy no namidiny ho takalona mpivarotena, ary zazavavy no namidiny hahazoana divay hosotroina.

4 Ianareo kosa, ry i Tiro sy i Tsidona, mbaminareo rehetra faritr'i Filistia, inona no tadiavinareo hatao amiko? Moa hamaly faty Ahy va ianareo? Raha izany no tadiavinareo hatao amiko, dia hatsingeriko haingana eo an-dohanareo.

5 Nalainareo ny volafotsiko sy ny volamenako ary ny raki-tsarobidiko ka nentinareo any amin'ny tempolinareo.

6 Ary ny mponin'i Joda sy i Jerosalema kosa dia namidinareo tamin'ny Grika mba hampanalavirina ny taniny.

7 Fa hampodiko avy amin'ny tany izay nivarotanareo azy izy ka hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny ratsy izay nataonareo.

8 Koa hamidiko amin'ny mponin'i Joda ny zanakalahy sy ny zanakavavinareo. Ireo indray hivarotra azy amin'ny Sabeanina izay firenena any lavitra. Izaho TOMPO no miteny izany.

9 Antsoantsoy any amin'ny hafa firenena izao: Miomana hiady, vonony ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga.

10 Tefeo ho sabatra ny lelan'angadinombinareo ary ho lefona ny antsim-barinareo; aoka na dia ny osa aza mba hihiaka hoe: Mahery aho.

11 Tongava faingana ianareo rehetra any amin'ny firenena manodidina any ka mivoria ao amin'io lohasaha io. Ampidino ao, TOMPO o, ireo maherinao mba hamely azy.

12 Aoka hiara-manainga ireo hafa firenena ka hiakatra ao amin'ny lohasaha atao hoe ny TOMPO no mitsara. Eo Izaho TOMPO no hipetraka hitsara ny hafa firenena rehetra manodidina.

13 Arosoy ny antsim-bary hijinjana azy toy ny fijinja ny vokatra masaka Avia ianareo hanosihosy azy toy ny fanosy ny voaloboka izay mameno ny famiazana. Mihoatra ny vata fanantazana azy ny divay; eny, be tokoa ny faharatsian'ireo olona ireo.

14 Vahoaka tsy hita isa no tonga ao amin'ny lohasaha Fitsarana fa efa antomotra ny androm-pahatezeran'ny TOMPO.

15 Mihamaizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamiratra intsony ny kintana.

16 Avy ao Tsiona ny TOMPO no manerona, ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Mihorohoro ny tany aman-danitra! Fa ny TOMPO no fialofan'ny vahoakany sy fiarovana ho an'ny Israelita.

17 Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiona tendrombohitro masina. Dia ho tanana masina i Jerosalema, ka tsy hidiran'ny hafa firenena intsony.

18 Amin'izany andro izany dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra, handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana. Hikoriana rano avokoa ny sakeli-dranon'i Joda. Ary hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon'ny TOMPO ka hanondraka ny lohasahan'i Sitima.

19 Ho tonga tany lao i Ejipta ary ho taniefitra foana i Edoma noho ny herisetra nataony tamin'ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany ran'ny tsy manan-tsiny teo amin'izany tany izany.

20 Eny, hambarako ho tsy manan-keloka izy. Fa i Joda sy i Jerosalema dia honenana mandrakizay ary Izaho TOMPO kosa dia honina ao Tsiona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0674