Hebreo

Toko 1 Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany;
Toko 2 Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika.
Toko 3 Koa amin'izany, ry havana, efa voatokana ho an'Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon'anjara amin'ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak'Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.
Toko 4 Mbola namelan'Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin'izany.
Toko 5 Fa ny mpisorombe rehetra dia alaina amin'ny olona, ka tendrena ho solotenan'ny olona eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Natao hanolotra fanatitra izy ary koa natao hanolotra sorona ho fanalana ny fahotana.
Toko 6 Noho izany, aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana momba an'i Kristy, fa aoka isika handroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe. Tsy hoe fanorenana indray no hataontsika: dia ny tokony hialana amin'ireo asa mitondra fahafatesana sy ny tokony hinoana an'Andriamanitra,
Toko 7 Io Melkitsedeka io dia mpanjakan'i Salema ary mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy;
Toko 8 Izao no vontoatin'ny zavatra lazainay: Mpisorombe toy izany no ananantsika, ary Mpisorombe efa mipetraka any an-danitra eo ankavanan'ny sezafiandrianan'ilay Andriamanitra lehibe.
Toko 9 Ny Fanekempihavanana voalohany dia nanana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana ary nanana Toeramasina tety an-tany.
Toko 10 Tsy fanehoana ny tena izy tsy akory ny lalana jiosy, fa tandindon'ny zava-tsoa ho avy. Tsy mahatanteraka velively ny olona manantena an'Andriamanitra ny lalana jiosy, na dia naverimberina isan-taona hatrany hatrany aza ny fanolorana ireo sorona ireo.
Toko 11 Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita.
Toko 12 Voahodidina vavolombelona marobe tokoa ary isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao.
Toko 13 Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin'i Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0394