Hebreo

Toko faha-3

1 Koa amin'izany, ry havana, efa voatokana ho an'Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon'anjara amin'ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak'Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.

2 Fa i Jesoa dia nahatoky an'Andriamanitra teo amin'ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an'i Mosesy izay voalazan'ny Soratra Masina hoe: Nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra manontolo izy.

3 Nefa mendri-boninahitra kokoa noho i Mosesy i Jesoa, satria ny mpanao trano dia mahazo haja bebe kokoa noho ny trano nataony.

4 Ny trano rehetra manko dia nisy mpanao azy, fa Andriamanitra kosa no nanao ny zavatra rehetra.

5 Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain'Andriamanitra amin'ny ho avy.

6 Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon'Andriamanitra; ary dia isika izany tranon'Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.

7 Noho izany, araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra,

8 dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin'ny andro niodinan'ny razanareo tamin'Andriamanitra, tahaka ny tamin'ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitra.

9 Tany no nakan'ny razanareo fanahy Ahy sy nizahany toetra Ahy, hoy Andriamanitra, na dia efa hitany aza ny asa vitako

10 nandritra ny efapolo taona. Izany no nahatezitra Ahy tamin'ireo olona ireo, ka hoy Aho hoe: 'Maniasia lalandava ny fisainany; tsy nahafantatra ny lalako ireo.'

11 Tezitra Aho ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo!

12 Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.

13 Fa aoka ianareo hifampirisika isan'andro, dieny mbola misy ny hoe anio lazain'ny Soratra Masina, mba tsy hisy ho voafitaky ny fahotana ianareo ka ho tonga mafy fo.

14 Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin'i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.

15 Izao no lazain'ny Soratra Masina: Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra, dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin'ny niodinan'ny razanareo tamin'Andriamanitra.

16 Iza moa ireo nandre ny feon'Andriamanitra nefa niodina taminy? Ireo rehetra nentin'i Mosesy niala tany Ejipta.

17 Ary iza no nahatezitra an'Andriamanitra nandritra ny efapolo taona? Ireo nanota ka niampatrampatra tany an-taniefitra ny fatiny.

18 Raha nianiana Andriamanitra nanao hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo, iza moa no lazainy? Ireo tsy nanaiky.

19 Koa dia hitantsika fa tsy tafiditra ireo satria tsy nino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0607