Hebreo

Toko faha-12

1 Voahodidina vavolombelona marobe tokoa ary isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao.

2 Aoka isika hifantoka tsara amin'i Jesoa, Izay loharanon'ny finoantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Niaretan'i Jesoa ny namonoana Azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra.

3 Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.

4 Fa tsy mbola nihatra taman'aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana.

5 Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe: Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin'ny Tompo; ary aza ketraka rehefa anariny.

6 Fa ny zanaka tiany no faizin'ny Tompo ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny?

7 Ho famaizana anareo no aoka hiaretanareo fijaliana; toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, satria iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?

8 Fa raha tsy faizina tahaka ny atao amin'ny zanaka rehetra ianareo, dia tsy tena zanaka fa zazasary.

9 Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.

10 Famaizana mandritra ny andro vitsivitsy ihany no nampiharin'ireo raintsika eto an-tany, araka izay heveriny fa mety; fa soa ho antsika kosa no amaizan'Andriamanitra antsika, dia ny mba hiombonantsika anjara amin'ny fahamasinany.

11 Rehefa faizina isika, dia heverintsika ho zavatra mampahory fa tsy mahafaly izany eo no ho eo; fa aty aoriana, ny olona tinaiza tamin'izany famaizana izany vao mahita ny voka-tsoany: dia fiadanana vokatry ny fitondrantena mahitsy.

12 Hatanjaho ary ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy.

13 Mizora amin'ny lala-mahitsy hatrany mba tsy hipitsoka ny tongotra mandringa fa mba ho sitrana tsara.

14 Iezaho ny hahatsara fihavanana amin'ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.

15 Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro.

16 Aoka mba tsy hisy mpijangajanga na olona mpanazimba ny zava-masina tahaka an'i Hesao izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.

17 Fantatrareo fa te hahazo ny tsodranon-drainy izy taty aoriana, kanefa dia nolavina; satria tsy afaka hanova ny efa nataony izy, na dia nitady fatratra tamin-dranomaso aza.

18 Tsy mba tendrombohitra azo tsapain-tanana toy ny an'ny vahoaka Israely tsy akory no efa nohatoninareo, dia ny tendrombohitra Sinay mirehitra afo, rakotra haizina sy rahona mainty, omban'orambaratra

19 sy trompetra maneno ary feo mireondreona. Nony ren'ny vahoaka Israely izany feo izany, dia nitalaho izy mba tsy hisy intsony teny hafa hatao aminy,

20 satria tsy tohany rahateo ny baiko hoe: Na dia izay biby mikasikasika ny tendrombohitra aza, dia hatao matin'ny torabato.

21 Nahatsiravina loatra ny zava-niseho ka hoy i Mosesy: Mangorohoro aho fa matahotra loatra.

22 Fa ny efa nohatoninareo kosa dia ny tendrombohitra Tsiona misy ny tananan'Andriamanitra velona, dia i Jerosalema any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia ny anjely marobe tsy hita isa

23 ary koa ny Fiangonana ivorian'ireo zanaka malalan'Andriamanitra toa lahimatoany, dia ireo voasoratra anarana any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra ary koa ireo fanahin'ny olo-marina efa tonga lafatra.

24 Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin'ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran'i Abela.

25 Mitandrema ary! Aza manentsin-tadiny amin'izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadiny tamin'ilay nilaza hafatr'Andriamanitra taminy teto an-tany, mainka fa isika raha miala amin'Ilay miteny amintsika avy any an-danitra.

26 Ny feony dia nanozongozona ny tany fahizay; ankehitriny kosa dia mbola mampanantena antsika Izy manao he: Hohozongozoniko indray mandeha koa, tsy ny tany ihany, fa ny habakabaka koa.

27 Ny hoe indray mandeha koa dia manambara fa hohozongozonina sady hovana ny zavaboaary, mba haharetan'izay zavatra tsy azo hozongozonina.

28 Aoka ary isika hahay misaotra an'Andriamanitra noho isika mandray Fanjakana tsy azo hozongozonina. Izany fahaiza-misaotra Azy izany dia aoka hasehontsika amin'ny fanompoana sitrak'Andriamanitra, fanompoana ombam-panajana sy fahatahorana;

29 fa ilay Andriamanitsika dia afo mandevona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558