Hebreo
Toko faha-7
1 Io Melkitsedeka io dia mpanjakan'i Salema ary mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra. Fony i Abrahama niverina avy nandresy mpanjaka maro, dia i Melkitsedeka no nitsena azy sy nitsodrano azy;2 i Abrahama kosa nanome an'i Melkitsedeka ny ampahafolon'izay nananany rehetra. Ny hoe Melkitsedeka aloha dia midika ho mpanjaka tia rariny; ary izy koa dia mpanjakan'i Salema, izany hoe Mpanjaka mitondra fiadanana.
3 Tsy misy izay ahafantarana ny rain'i Melkitsedeka, na ny reniny, na izay tantaran-drazany ary tsy voalaza ny andro niandohany na ny fiafaran'ny fiainany; fa dia mitovy amin'ilay Zanak'Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
4 Hevero ny fahalehibiazan'i Melkitsedeka! Fa i Abrahama razambentsika dia nanome azy ny ampahafolon-kareny avy amin'ireo zavatra tsara indrindra azony babo tany amin'ny ady.
5 Ireo mpisorona avy amin'ny taranak'i Levy no mahazo didy, araka ny lalana, handray ny ampahafolon-karena amin'ny vahoaka Israely, izany hoe amin'ny mpiray firenena aminy, izay terak'i Abrahama ihany koa.
6 Tsy mba taranak'i Levy i Melkitsedeka; nefa nandray ny ampahafolon-karen'i Abrahama izy ary dia nitsodrano an'ilay nahazo ny fampanantenan'Andriamanitra.
7 Ka tsy azo lavina fa izay mitsodrano dia lehibe noho ilay mandray tsodrano.
8 Ny taranak'i Levy, izay mandray ny ampahafolon-karena, dia olon-ko faty ihany; fa i Melkitsedeka kosa dia ambaran'ny Soratra Masina fa velona.
9 Azo lazaina aza fa, fony i Abrahama nandoa ny ampahafolon-kareny, dia anisan'ny nandoa koa i Levy izay rain'ny mpandray ampahafolon-karena.
10 Fa na dia tsy mbola nateraka akory aza i Levy tamin'izay, dia efa tao amin'io razambeny io ihany raha nitsena an'i Abrahama i Melkitsedeka.
11 Foto-javatra tamin'ny lalana nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan'i Levy. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan'i Levy, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban'i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban'i Aharona;
12 satria raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy misy koa fiovan-dalana.
13 Ka ny Tompontsika, Izay iantefan'izany teny izany, dia hafa foko; ary tsy misy avy tamin'ny fokony mba nanao raharaha teo amin'ny alitara fisoronana.
14 Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin'ny fokon'i Joda no nipoiran'ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.
15 Ary izao indray no vao mainka mampazava kokoa izany fiovan-javatra izany: nisy Mpisorona hafa niseho, izay mitovy amin'i Melkitsedeka.
16 Tsy lalana amam-pitsipika araka ny fomban'olombelona no nahatonga Azy ho Mpisorona, fa herim-piainana tsy manam-pahataperana;
17 satria izy no ijoroana ho vavolombelona hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkitsedeka.
18 Koa izany no nahafoana ny didy taloha, noho izy nalemy sady tsy nahasoa.
19 Ny lalanan'i Mosesy dia tsy nahatafita na inona na inona amin'ny fanaperana; fa naiditra kosa ny fanantenana tsara lavitra, izay ahazoantsika manatona an'Andriamanitra.
20 Tao rahateo koa ilay fianianana nataon'Andriamanitra. Ireo mpisorona hafa dia tsy nombam-pianianana no tonga mpisorona.
21 Fa i Jesoa nombam-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe: Efa nianiana ny Tompo ka tsy hivadi-bolana: ?Ianao no Mpisorona mandrakizay.'
22 Izany no mahatonga an'i Jesoa ho antoky ny Fanekempihavanana tsara lavitra.
23 Izao koa no fahasamihafana hita: marobe ireo mpisorona hafa, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra;
24 fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany.
25 Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin'Andriamanitra ho azy ireo.
26 Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin'ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.
27 Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan'andro ho fanalana ny fahotan'ny tenany aloha, vao ny an'ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran'i Jesoa sorona, dia tamin'ny nanolorany ny tenany.
28 Olona zoim-pahalemena no voatendrin'ny lalanan'i Mosesy ho mpisorombe; fa ny teny ombam-pianianana, izay notononin'Andriamanitra taty aorian'ny lalana, no nanendry ny Zanany ho Mpisorombe, dia ilay Zanany efa tonga amin'ny fanaperana mandrakizay.