Hebreo

Toko faha-13

1 Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin'i Kristy.

2 Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany.

3 Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorina, ka hevero ho toy ny ampahorina tahaka azy ireo koa ny tenanareo.

4 Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin'olona.

5 Aza avela hahazo laka amin'ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin'izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.

6 Ka dia sahintsika ny manao hoe: Ny Tompo no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no ho azon'olona atao amiko?

7 Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran'ny fiainany ka alao tahaka ny finoany.

8 I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

9 Aza mety havilivilin'ny fampianarana samihafa tsy araka an'i Kristy ianareo; tsara manko raha ampaherezina amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ny fonareo, fa tsy amina fitsipika momba ny hanina izay tsy mahasoa ireo mahavatra azy.

10 Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin'ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin'izay sorona atao eo amin'ny alitarantsika.

11 Entin'ny mpisorombe ao amin'ny Toeramasina Indrindra ny ran'ny biby hatao sorona ho fanalana ny ota; fa ny fatin'ireo biby ireo kosa dia dorana any ivelan'ny toby.

12 Izany koa no anton'ny nahafatesan'i Jesoa tany ivelan'ny tanana, mba hanadio ny vahoaka amin'ny ra nafoiny.

13 Aoka ary isika hivoaka ny toby hankeo amin'i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.

14 Fa tsy manana tanana maharitra eto an-tany isika; fa ilay tanana ho avy no katsahintsika.

15 Koa amin'ny alalan'i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an'Andriamanitra mandrakariva ny fiderantsika Azy, dia fiderana ventesin'ny molotr'ireo olona miaiky an'Andriamanitra ho Tompo.

16 Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak'Andriamanitra.

17 Manoava an'ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, ka maneke azy. Fa ireo no miambina hatrany ny fanahinareo, toy ny olona mbola hampamoahin'Andriamanitra ny amin'izany. Raha manoa ianareo, dia amin'ny hafaliana no hanaovan'ireo ny raharahany; fa raha tsy manoa ianareo, dia amin'ny fisentoana no hanaovany azy ka tsy hahasoa anareo izany.

18 Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa mahitsy fieritreretana, ka satrinay tokoa ny hanana fitondrantena tsara amin'ny zavatra rehetra.

19 Iangaviako manokana ianareo hangataka amin'Andriamanitra mba hamerenany ahy faingampaingana aty aminareo.

20 Andriamanitra dia efa nitondra an'i Jesoa Tompontsika hiala amin'ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay.

21 Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an'i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

22 Mangataka aminareo aho, ry havana; raiso tsara izany lahateny fampaherezana izany, fa teny fohifohy ihany no andefasako azy an-tsoratra aminareo.

23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timoty havantsika, koa raha tahiny tonga faingampaingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.

24 Veloma any amin'izay rehetra mpitarika anareo ara-pivavahana sy any amin'ny havana rehetra iray finoana. Manao veloma anareo ny havana avy any Italia.

25 Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0594