Salamo
Toko faha-119 (118)
151 Akaiky ahy Ianao, TOMPO o, ary mahatoky avokoa ny didinao.152 Ny baikonao dia fantatro hatry ny ela fa naorinao ho mandrakizay.
153 Jereo ny fahoriako, ka afaho aho, fa ny lalananao tsy hadinoiko.
154 Iandraiketo ny adiko ka avoty aho ary velomy araka ny fampanantenanao.
155 Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena, satria tsy ny lalananao no katsahiny.
156 Lehibe ny indrafonao, TOMPO o; velomy aho araka ny fitsipikao.
157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; ny baikonao tsy mba ialako.
158 Nahita mpivadika aho, ka narikoriko; ny hafatrao tsy mba tandremany.
159 Jereo fa mankamamy ny fepetranao aho, ka velomy araka ny fitiavanao, TOMPO o.
160 Ny toetra mahatoky no mivohitra amin'ny teninao; ny fitsipikao dia ara-drariny avokoa sy mandrakizay.
161 Enjehin'andriana tsy amin'antony aho; ny teninao ihany no atahoran'ny foko.
162 Ny hafatrao no mahafaly ahy tahaka ny mahazo remby sesehena.
163 Halako ary maharikoriko ahy ny fitaka, fa ny lalananao no ankamamiko.
164 Impito isan'andro no iderako Anao noho ny fitsipikao ara-drariny.
165 Fiadanam-be ny an'izay mankamamy ny lalananao, ary tsy misy zavatra mahasolafaka azy.
166 Ny famonjenao, TOMPO o, no antenaiko ka ny didinao no tanterahiko.
167 Ny baikonao dia tandremako, satria ankamamiko aoka izany.
168 Eny, voatandriko ny fepetra amam-baikonao; eo anoloanao ny lalan-kalehako rehetra.
169 Aoka ho tonga eo anoloanao ny tarainako, TOMPO o! Ataovy mahira-tsaina aho araka ny fampanantenanao.
170 Ny fihantako anie ho tody eo anatrehanao; mba afaho aho araka ny toky nomenao.
171 Hidera Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalananao!
172 Hanambara ny hafatrao anie ny lelako, satria rariny avokoa ny didinao!
173 Ny fiarovanao anie hanampy ahy, satria ny fepetranao no nofidiko!
174 Mahaliana ahy, TOMPO o, ny famonjenao; ary ny lalananao no firavoako.
175 Veloma anie ny aiko hiderako Anao; ary hanampy ahy anie ny fitsipikao!
176 Ondry nania izaho mpanomponao ka tadiavo; fa ny didinao tsy mba hadinoiko.