Salamo
Toko faha-119 (118)
101 Tsy nisy nekeko ny sori-dalan'ny faharatsiana mba hitandremako ny teninao.102 Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho, fa Ianao dia Ianao no mampianatra ahy.
103 Mamy tokoa amiko ny hafatrao, eny, manoatra noho ny tantely aza.
104 Ny fepetranao mampahira-tsaina ahy; koa halako rehefa mety ho soritra mamitaka.
105 Fanilon'ny diako ny teninao sy fanazavana ny lalan-kizorako.
106 Hamafisiko ny velirano izay nataoko, dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.
107 Mijaly tsy eran'ny aina aho, TOMPO o: mba velomy indray araka ny fampanantenanao.
108 Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao : TOMPO o, ampianaro ahy ny fitsipikao.
109 Hatenda lalandava izao ny aiko, nefa tsy hadinoko ny lalananao.
110 Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy, fa izaho tsy mihataka amin'ny fepetranao.
111 Ny baikonao no fananako mandrakizay: ireo no fifalifalian'ny foko.
112 Aronako hanao ny lalananao ny foko, hatramin'ny antsipiriany ary mandrakizay.
113 Halako ny olona miroa saina, fa ny lalananao kosa no tiako.
114 Ianao no fiereko sy ampingako; ny teninao no antenaiko.
115 Miala amiko, ianareo mpanao ratsy, hanarahako ny didin'Andriamanitra.
116 Tohany araka ny fampanantenanao aho ho velona; aoka tsy hataonao diso fanantenana!
117 Tohany hatrany aho mba ho voavonjy; ny lalananao no firavoako lalandava.
118 Izay rehetra miala amin'ny lalananao aetrinao, satria ny lainga no teti-dratsy ao an-tsainy.
119 Ny olon-dratsy eran-tany taim-by fanarinao: izany no itiavako ny baikonao.
120 Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.
121 Ny rariny sy hitsiny no ataoko; aza atolotra ny mpampahory aho.
122 Porofoy fa mahasoa ahy mpanomponao izany; aoka aho tsy hampahorin'ny mpirehareha!
123 Ny masoko valalanina miandry ny famonjenao sy ny fanafahana izay nampanantenainao.
124 Ny fitiavanao itondrana ahy mpanomponao: koa ampianaro ny lalananao aho.
125 Mpanomponao aho ka mba ataovy mahira-tsaina hahafantarako ny baikonao.
126 Izao no fotoana mety hihetsehanao, TOMPO o, fa dikain'ny olona ny lalananao.
127 Izany no itiavako ny didinao manoatra ny volamena madio indrindra.
128 Izany no ifidianako ny fepetranao sy ankahalako izay mety ho soritra mamitaka.
129 Mahagaga ny baikonao, ka izany no anarahako azy.
130 Manazava tokoa ny fahitana ny teninao ary mampahira-tsaina ny olon-tsotra.
131 Mitanatana vava, mihanahana aho: ny didinao no mahaliana ahy.
132 Mba todiho aho ka iantrao, araka ny tinapakao ho an'ireo mpitia Anao.
133 Hamafiso ho amin'ny hafatrao ny diako; aoka aho tsy hanjakam-paharatsiana!
134 Afaho amin'ny mpampahory aho mba hitandremako ny fepetranao.
135 Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao: ampianaro ahy ny lalananao.
136 Izaho dia mamarin-dranomaso, satria tsy voatandrina ny lalananao.
137 Mandala ny rariny Ianao, TOMPO o, ary mahitsy ny fitsipikao.
138 Ny baikonao dia ara-drariny sy azo antoka tokoa.
139 Mandoro ahy toy ny afo ny zotompoko, fa hadinon'ny mpandrafy ahy ny teninao.
140 Voasedra tanaty memy tokoa ny hafatrao, ka dia tia azy ireny izaho mpanomponao.
141 Kely sady mavomavo aho, nefa tsy hadinoko ny fepetranao.
142 Mahitsy mandrakizay ny fahitsianao ary mahatoky ny lalananao.
143 Azon'ny fahoriana sy ny fahaterena aho, nefa mbola miravo amin'ny didinao.
144 Mahitsy mandrakizay ny baikonao; ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona.
145 Miantso amin'ny foko manontolo aho ka valio mba hanarahako ny lalananao, TOMPO o.
146 Miantso Anao aho ka vonjeo hitandremako ny baikonao.
147 Mialoha ny mazava tsinanana aho mitalaho ary dia miandry ny teninao.
148 Mialoha ny besinimaro aho no nifoha mba hisaintsaina ny hafatrao.
149 Henoy ny feoko araka ny fitiavanao; TOMPO o, velomy araka ny fitsipikao aho.
150 Ireo mpanenjika ahy manatona heloka; ny lalananao kosa halaviriny.