Salamo
Toko faha-119 (118)
51 Lalina raha haneso ahy ny mpirehareha fa izaho tsy mivoana amin'ny lalananao.52 Ny fitsipikao hatrizay, TOMPO o, no tsaroako ka ahazoako fiononana.
53 Entanin'ny fahatezerana mafy aho fa mandao ny lalananao ny olon-dratsy.
54 Ny lalananao no ataoko fihira ao an-trano ivahiniako.
55 Tsaroako mandraka alina Ianao, TOMPO o, mba hitandremako ny lalananao.
56 Izao no hany fananako: ny manaraka ny fepetranao.
57 Ny anjarako, TOMPO o, hoy aho, dia ny mitandrina ny teninao.
58 Ny foko manontolo no italahoako aminao, koa iantrao aho araka ny toky nomenao.
59 Mandinika ny fitondrantenako aho, ka manitsy dia amin'ny fitsipikao.
60 Dodona aho fa tsy mitaredretra amin'ny fitandremana ny didinao.
61 Voan'ny fandriky ny olon-dratsy aho, nefa tsy manadino ny lalananao.
62 Mifoha mamatonalina aho hidera Anao noho ny fitsipikao ara-drariny.
63 Ihavanako avokoa izay manaja Anao sy izay mitandrina ny fepetranao.
64 Ny fitiavanao, TOMPO o, manenika ny tany; ampianaro ahy ny lalananao.
65 Efa nasianao soa izaho mpanomponao, dia araka ny fampanantenanao, TOMPO o.
66 Ampianaro hahafantatra sy hahalala aho, satria azoko antoka ny didinao.
67 Naniasia aho fony tsy mbola azom-pahoriana, fa ankehitriny tandremako ny hafatrao.
68 Soa Ianao, TOMPO o, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny lalananao.
69 Mamoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin'ny foko manontolo no anarahako ny fepetranao.
70 Donto velona ny sain'ireo, fa izaho miravo amin'ny lalananao.
71 Nahasoa ahy ny azom-pahoriana mba hianarako ny lalananao.
72 Aleoko ny lalana naloaky ny vavanao toy izay ny volamena amam-bolafotsy miavosa.
73 Nanao sy namboatra ahy ny tananao: ataovy mahira-tsaina aho hianarako ny didinao.
74 Hifaly mahita ahy ireo manaja Anao, satria ny teninao no antenaiko.
75 Ny fitsipikao, TOMPO o, fantatro fa rariny; ka marim-pototra ny nampahorianao ahy.
76 nampionona ahy anie ny fitiavanao, araka ny hafatrao tamiko mpanomponao!
77 Ho tonga ato amiko anie ny indrafonao ka hamelona ahy, satria ny lalananao no firavoako!
78 Aoka ho menatra ny mpirehareha mampahory tsy amin'antony, fa izaho misaintsaina ny fepetranao!
79 Hitodika amiko anie ireo manaja Anao, mba hahafantarany ny baikonao!
80 Ny foko manontolo anie hifikitra amin'ny lalananao, dia tsy ho rakotry ny henatra mihitsy aho!
81 Reraka aho maniry ny famonjenao: ny teninao no antenaiko.
82 Valalanina ny masoko miandry ny hafatrao; rahoviana no hampiononanao ahy?
83 Zary siny hoditra mainan'ny setroka aho, kanefa tsy hadinoko ny lalananao.
84 Hiaritra ela toy izao foana ve izaho mpanomponao? Rahoviana ny mpanenjika ahy no hotsarainao?
85 Mihady longoa hianjerako ny mpirehareha; tsy raharahainy akory izay lalananao.
86 Azo antoka avokoa ny didinao; vonjeo aho fa enjehina tsy amin'antony.
87 Kely sisa dia levona eto an-tany aho, kanefa tsy mba nafoiko ny fepetranao.
88 Noho ny fitiavanao, mba velomy aho hitandremako ny baiko naloaky ny vavanao.
89 Maharitra mandrakizay, TOMPO o, no nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90 Mahatoky Ianao, amin'ny taona mifandimby; Naorinao ny tany ka mitoetra mafy.
91 Mandraka androany, araka ny fitsipikao, dia mbola eo ny tontolo satria mpanomponao.
92 Raha tsy ny lalananao no firavoako, toy izay aho efa matin'ny fahoriana.
93 Tsy ho hadinoiko mandrakizay ny fepetranao izay namelomanao ny aiko.
94 Fanananao aho ka vonjeo, satria mikatsaka ny fepetranao.
95 Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy, satria ny baikonao no hadihadiko.
96 Izay toa lavorary dia nahitako fetra; ny didinao no tena midadasika.
97 Endrey ny fitiavako ny lalananao; tontolo andro dia izy no saintsainiko.
98 Ny didinao, izay fananako mandrakizay, dia mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko.
99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria misaintsaina ny baikonao.
100 Mahira-tsaina noho ny zokiolona aho, satria ny fepetranao no arahiko.