Salamo

Toko faha-119 (118)

1 Sambatra ny mahitsy fitondrantena, dia izay manaraka ny lalanan'ny TOMPO.

2 Sambatra izay mitandrina ny baikony, ka mitady Azy amin'ny fony manontolo.

3 Eny, tsy mba manao ratsy ireo fa manaraka ny sori-dalan'Andriamanitra.

4 Ianao namoaka ny fepetranao, TOMPO o, mba ho tandremana fatratra.

5 Enga anie ny fitondrantenako ho matotra amin'ny fitandremana ny lalananao;

6 dia tsy ho menatra aho mandinika ny didinao rehetra.

7 Hidera Anao amin-kitsimpo aho mianatra ny fitsarana ara-drariny navoakanao.

8 Ny lalananao no tiako ho tandremana, koa aza afoinao na oviana na oviana aho.

9 Raha maninona ny tanora no hadio toetra? Raha mitandrina ny teninao.

10 Amin'ny foko manontolo no itadiavako Anao, koa aza avela handao ny didinao aho.

11 Raketiko ato am-poko ny hafatrao mba tsy hanotako aminao.

12 Hisaorana anie Ianao, TOMPO o! Ampianaro ahy ny lalananao.

13 Tanisain'ny molotro avokoa ny fitsipika naloaky ny vavanao.

14 Ny mizotra araka ny baikonao no mahafaly ahy noho izay harena.

15 Ny fepetranao hosaintsainiko, ny sori-dalanao hodinihiko;

16 ny lalananao firavoako, ny teninao fitadidiko.

17 Asio soa aho mpanomponao ho velona sy hitandrina ny teninao.

18 Ampahirato ny masoko hahita ny zava-mahagaga amin'ny lalananao.

19 Vahiny eto an-tany aho; aza afenina ahy ny didinao.

20 Matimaty ery aho maniry ny fitsipikao amin'ny fotoan-drehetra.

21 Rahonanao ny mpirehareha voaozona, izay mandao ny didinao.

22 Alao amin'ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana aho, satria manaraka ny baikonao.

23 Na andriana aza no mioko hamely ahy, izaho mpanomponao misaintsaina ny lalananao.

24 Ny baikonao no firavoako: ireo no manolo-tsaina ahy.

25 Mihohoka amin'ny vovoka ny tenako, ka velomy indray araka ny fampanantenanao.

26 Nitanisako ny fiainako Ianao ka namaly ahy; ampianaro ahy ny lalananao.

27 Ampahafantaro ahy ny fepetranao ho sori-dalako mba hisaintsainako ny asa mahagaga nataonao.

28 Patrapatraka ny ranomasoko noho ny alahelo; areno aho araka ny fampanantenanao.

29 Halaviro ahy rehefa mety ho soritra mamitaka; ny lalananao no aoka hanenika ahy!

30 Nofidiko ho sori-dalako ny firaiketam-po aminao; nataoko teo anatrehako ny fitsipikao.

31 Ny baikonao no ifikirako; TOMPO o, aza avela ho azon-kenatra aho.

32 Ny didinao no sori-dalana ihazakazahako, satria nosokafanao ny saiko.

33 TOMPO o, atoroy ahy ny lalananao ho sori-dalako mba hanarahako azy hatramin'ny farany.

34 Ataovy mahira-tsaina aho hanarahako ny lalananao, sy hitandremako azy amin'ny foko manontolo.

35 Ampizory amin'ny sori-dalan'ny didinao aho, satria izany no fahafinaretako.

36 Ampirony amin'ny baikonao ny foko fa tsy amin'ny fitiavan-karena.

37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin'ny sori-dalanao aho.

38 Tovy amin'ny mpanomponao ny hafatrao izay nataonao ho an'ny mpanaja Anao.

39 Halaviro ahy ny fahafaham-baraka atahorako, satria tsara ny fitsipikao.

40 Indro maniry ny fepetranao aho, koa velomy ao amin'ny fahamarinanao.

41 Ho tonga amiko anie, TOMPO o, ny mari-pitiavanao, dia ny famonjenao araka ny toky nomenao!

42 Ny mpanala baraka ahy ho voavaliko, satria ny teninao no itokiako.

43 Ny zava-marim-pototra aza avela hivadihako, satria ny fitsipikao no antenaiko.

44 Ny lalananao tiako hotandremana lalandava ka ho mandrakizay mandrakizay.

45 Hizotra amin-kalalahana aho, fa ny fepetranao no katsahiko.

46 Ny baikonao no ho lazaiko tsy amin-kenatra eo anatrehan'ny mpanjaka.

47 Ny didinao no iravoako ary ankamamiko fatratra.

48 Hanandra-tanana hivavaka aminao aho , ka ny lalananao no ho saintsainiko.

49 Tsarovy ny teninao tamiko mpanomponao, dia ilay teny nataonao ho fitokiako.

50 Hany fiononako amin'ny fahoriako izany, satria ny hafatrao no mamelona ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0644