Rota

Toko 1 Tamin'ny andro nitondran'ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin'ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin'ny Betleheman'i Joda nandeha nifindra monina tany amin'ny faritr'i Moaba niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Toko 2 Ary Nahomy dia nanana havana, lehilahy manan-karena be avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka vadiny; ny anarany atao hoe Bohaza.
Toko 3 Indray andro dia hoy i Nahomy rafozambaviny tamin'i Rota: Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka. 2 Fantatrao fa havantsika i Bohaza sady ianao efa niara-niasa tamin'ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary orza ao am-pamoloana anio alina.
Toko 4 Dia niakatra ho eo am-bavahadin'ny tanana toerana fandaminan-draharaha i Bohaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan'i Bohaza, ka nantsoiny hoe: Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0609