Rota
Toko voalohany
1 Tamin'ny andro nitondran'ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin'ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin'ny Betleheman'i Joda nandeha nifindra monina tany amin'ny faritr'i Moaba niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.2 I Elimeleka no anaran-dralehilahy, i Nahomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy kosa dia i Mahalona sy i Kiliona; Efratita avy ao Betleheman'i Joda izy efa-mianaka. Tonga tany amin'ny faritr'i Moaba izy ireo; fony izy mianakavy nonina tany
3 no maty i Elimeleka vadin'i Nahomy, koa ravehivavy sy ny zanany roa lahy no sisa tavela.
4 Samy naka vady tamin'ny vehivavy moabita izy mirahalahy ka i Horpa no anaran'ny anankiray ary i Rota kosa no anaran'ny anankiray. Ary tokony ho folo taona nipetrahana tany Moaba ry zareo,
5 dia maty koa izy roa lahy, i Mahalona sy i Kiliona; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
6 Tany Moaba i Nahomy no nandre fa notahin'ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahomy sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr'i Moaba.
7 Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin'ny tanin'i Joda; ka teny an-dalana,
8 dia hoy i Nahomy tamin'ireto vinantovaviny: Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin'ireo maty sy tamiko koa.
9 Homen'ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon'ny vadinareo avy! Dia norohan'i Nahomy ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy
10 sady nanao taminy hoe: Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin'ny firenenao izahay!
11 Fa novalian'i Nahomy hoe: Modia, rey anaka; nahoana no handeha hiaraka amiko ianareo? Moa ve aho mbola hiteraka zazalahy hanjary vady ho anareo?
12 Mandehana mody, rey anaka, satria efa antitra aho izao ka tsy hahazo vady intsony. Ary na dia hilaza aza aho hoe: ,
13 moa ve hahandry azy mandra-pahalehibeny ianareo ka hahonon-tena tsy hanambady? Tsia, rey anaka, satria hampahory loatra anareo ny anjarako, fa hamely ahy no naninjiran'ny TOMPO ny tanany.
14 Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Horpa ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.
15 Dia hoy i Nahomy tamin'i Rota: Indro ny rahavavinao nody any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.
16 Fa novalian'i Rota hoe: Aza terena handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao aho; fa any amin'izay halehanao no halehako, ao amin'izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,
17 ao amin'izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon'ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!
18 Ary rehefa hitan'i Nahomy fa tapa-kevitra ny handeha hiaraka aminy marina i Rota, dia nitsahatra tsy niteny azy intsony izy.
19 Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanana rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe:
20 fa novalian'i Nahomy hoe: Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahomy, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Mara, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra.
21 Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin'ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko.
22 Dia toy izany no niverenan'i Nahomy avy any amin'ny faritr'i Moaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy moabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin'ny fiandohan'ny fijinjana vary orza.