Rota

Toko faha-3

1 Indray andro dia hoy i Nahomy rafozambaviny tamin'i Rota: Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka. 2 Fantatrao fa havantsika i Bohaza sady ianao efa niara-niasa tamin'ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary orza ao am-pamoloana anio alina.

3 Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr'i Bohaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

4 Rehefa handeha handry izy, dia fantaro ny toerana izay handriany; ary mankanesa eo, ka sokafy kely ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo; fa izy mihitsy no hanoro anao izay hataonao.

5 Dia hoy i Rota tamin'i Nahomy: Hataoko avokoa izay nolazainao tamiko.

6 Dia nidina nankany am-pamoloana izy ary nanao araka izay rehetra nodidian-drafozany azy.

7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bohaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin'ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr'i Bohaza ka nandry teo.

8 Ary nony tamin'ny sasak'alina, dia taitra ralehilahy ary niondrika hijery, ka gaga dia gaga nahita vehivavy iray mandry eo an-tongony.

9 Dia nanontany i Bohaza hoe: Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.

10 Dia hoy i Bohaza hoe: Hotahin'ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin'ny fianakavian-drafozanao tamin'izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin'ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.

11 Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanana, fa vehivavy mendri-kaja ianao.

12 Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.

13 Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan'ny andro.

14 Dia natory teo an-tongotr'i Bohaza ambara-paharainan'ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran'olona iny. I Bohaza manko nanao anakampo hoe: ;

15 ka hoy izy tamin'i Rota: Ento ety iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin'i Bohaza vary orza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanana i Rota;

16 ary nony tonga tany amin'ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe: Nanao ahoana ianao tany, anaka? Dia notantarain'i Rota azy avokoa izay nataon'i Bohaza taminy,

17 sady niteny koa izy hoe: Nomeny ireto vary orza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko:

18 Dia hoy i Nahomy hoe: Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran'ny raharaha; satria tsy hijanona i Bohaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0936