Filipianina
Toko 1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo vahoakan'Andriamanitra rehetra aty Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ary ao anatin'izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakonina. Mamangy anareo koa i Timoty. Samy mpanompon'i Kristy Jesoa izahay.
Toko 2 Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin'i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin'ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo.
Toko 3 Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin'izay.
Toko 4 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.