Filipianina

Toko faha-4

1 Toy izany ary, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin'ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.

2 Ry i Eodia sy i Sintika, miangavy mafy anareo aho mba hifanaraka, noho ianareo mpirahavavy ao amin'ny Tompo.

3 Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan'ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin'i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.

4 Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin'ny olona rehetra.

5 Tsy ho ela, dia ho tonga ny Tompo!

6 Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin'Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin'ny fo feno fankasitrahana.

7 Ary ilay fiadanana avy amin'Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan'olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo.

8 Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.

9 Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon'ny fiadanana.

10 Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin'ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany.

11 Tsy noho izaho sahirana no itenenako toy izao, fa efa nianatra ny hianina amin'izay ananako aho.

12 Haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianarako ny hianina na aiza na aiza ary na amin'inona na amin'inona, na voky aho na noana, na manam-be aho na sahirana.

13 Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.

14 Kanefa soa izao nataonareo izao: niombom-pahoriana tamiko ianareo ka nanampy ahy.

15 Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedonia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko.

16 Fony aho mbola tany Tesalonika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko.

17 Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo.

18 Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrodito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny.

19 Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa.

20 Ho an'ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

21 Veloma any amin'izay rehetra isan'ny vahoakan'Andriamanitra ka tafaray amin'i Kristy Jesoa. Manao veloma anareo ny havana iray finoana, izay tafaraka amiko;

22 manao veloma anareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto, fa indrindra ry zareo ao an-dapan'ny amperora.

23 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569