Filipianina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo vahoakan'Andriamanitra rehetra aty Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ary ao anatin'izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakonina. Mamangy anareo koa i Timoty. Samy mpanompon'i Kristy Jesoa izahay.

2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3 Velom-pisaorana an'Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo.

4 Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana,

5 noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.

6 Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin'ny andro hiavian'i Kristy Jesoa.

7 Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin'izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.

8 Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin'ny fon'i Kristy Jesoa aho.

9 Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka homban'ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra

10 mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Kristy ianareo,

11 ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an'Andriamanitra.

12 Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly;

13 ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho.

14 Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.

15 Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany.

16 Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho;

17 irery kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.

18 Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torina, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany

19 satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian'ilay Fanahy Masina nampanantenain'i Jesoa Kristy.

20 Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin'ny tenako, na velona aho na maty.

21 Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

22 Kanefa raha ny mbola miaina eto an-tany no hampisy vokany ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko.

23 Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana ity fiainana ity mba hiarahako amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;

24 kanefa noho ny aminareo, dia ilaina kokoa ny mbola hijanonako eto an-tany.

25 Matoky izany aho, ka fantatro fa hitoetra maharitra eo akaikinareo rehetra mba hanampy anareo handroso sy ho faly amin'ny finoana.

26 Ka rehefa mby eo aminareo indray aho, dia hitombo tokoa ny reharehanareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo noho ny nataoko.

27 Izao ihany: manana fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.

28 Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra.

29 Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy:

30 dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0599