Filipianina

Toko faha-3

1 Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin'izay.

2 Tandremo ny tenanareo amin'ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin'ireo manan-takaitra!

3 Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an'Andriamanitra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin'i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin'ny fombafomban'olombelona.

4 Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin'ny fombafomban'olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin'ny fombafomban'olombelona, mainka fa izaho.

5 Voafora fony teraka herinandro aho; taranak'i Israely; avy amin'ny fokon'i Benjamina; hebreo ray, hebreo reny; ny amin'ny fitandroana ny lalana jiosy, dia Farisianina aho;

6 nafana fo tokoa aho tamin'ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin'ny maha olo-marina mpanara-dalana, dia tsy misy hokianina aho.

7 Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin'i Kristy.

8 Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin'ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an'i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin'i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an'i Kristy

9 ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin'ny fanarahan-dalana aho; fa ny finoana niainan'i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin'Andriamanitra ka miorina amin'ny finoana.

10 Ny hany iriko dia ny hahalalako an'i Kristy, ka hahatsapako ny herin'ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanafahako Azy amin'ny fahafatesany;

11 koa manantena aho amin'izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

12 Tsy mihambo ho efa tafita aho na ho efa tanteraka; fa miezaka hatrany aho hahazo ny amboaran'ny hazakazaka, satria izany no efa nahazoan'i Kristy Jesoa ahy.

13 Ry havana, tsy mihevi-tena ho efa nahazo ny amboara sahady aho; fa zavatra iray ihany no ataoko: manadino ny efa nodiaviko ka mikely aina fatratra ho tody amin'izay kendrena.

14 Miezaka hahatratra ny tanjona aho mba hahazoako ny amboara, dia ny fiainana iraisana amin'i Kristy Jesoa ka iantsoan'Andriamanitra any ambony any.

15 Aoka hisaina toy izany ary isika rehetra matotra ara-panahy. Kanefa raha misy aminareo misaina hafa noho izany, dia Andriamanitra no hampahazava izany aminareo.

16 Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin'izay efa andehanantsika hatramin'izao.

17 Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo.

18 Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana.

19 Fahaverezana no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamaminy ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.

20 Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.

21 Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitoviny amin'ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555