2 Kôrintianina

Toko 1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo isan'ny Fiangonan'Andriamanitra aty Korinto mbaminareo vahoakan'Andriamanitra rehetra manerana an'i Akaia aho. Mamangy anareo koa i Timoty havantsika.
Toko 2 Koa izao no hevitra tapaka tato am-poko: tsy hankany aminareo aho, mba tsy hampalahelo anareo indray.
Toko 3 Manomboka midera tena indray ve izahay amin'izany? Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazan-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo?
Toko 4 Izahay no manana izany fanompoana izany, dia noho ny indrafon'Andriamanitra taminay; koa tsy mety ketraka izahay.
Toko 5 Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan'olona fa narafitr'Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.
Toko 6 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy.
Toko 7 Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Toko 8 Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen'Andriamanitra tao amin'ireo Fiangonana any Masedonia.
Toko 9 Momba ny fanampiana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo.
Toko 10 Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin'ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon'i Kristy aho:
Toko 11 Enga anie ka mba handefitra amiko ianareo amin'izao hadalana kely izao! Eny, mandefera amiko ianareo!
Toko 12 Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa hiroso aho hilaza fahitana sy fanambarana nomen'ny Tompo ahy.
Toko 13 Izao no fanintelony hankanesako aty aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: Ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan'ny raharaha rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0362