2 Kôrintianina
Toko faha-6
1 Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy.2 Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny fotoana mety, dia namaly ny antsonao Aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, dia tonga namonjy anao Aho. Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.
3 Mba tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na amin'inona.
4 Fa ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby:
5 nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina.
6 Ahariharinay fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay, amin'ny fahalalanay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay,
7 amin'ny fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,
8 na omem-boninahitra izahay na alam-baraka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina,
9 atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty;
10 na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
11 Niteny tsotra taminareo Korintianina izahay; nosokafanay malalaka taminareo ny fonay.
12 Tsy tery fo taminareo izahay, fa ianareo no tery fo taminay.
13 Miteny aminareo toy ny amin'ny zanaka aho: mba ho setrin'ny ataonay, halalaho koa re ny fonareo aminay!
14 Aza miray petsapetsa amin'ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan'ny marina amin'ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan'ny mazava amin'ny maizina?
15 Ahoana no hifanarahan'i Kristy amin'i Beliala? Anjara inona no hiraisan'ny mpino amin'ny tsy mpino.
16 Ahoana no hifandraisan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny voalazan'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.
17 Izany no ilazan'ny Tompo hoe: Miala teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.
18 Ka ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo Tsitoha.