2 Kôrintianina

Toko faha-11

1 Enga anie ka mba handefitra amiko ianareo amin'izao hadalana kely izao! Eny, mandefera amiko ianareo!

2 Saro-piaro momba anareo aho, ary fahasaro-piaro avy amin'Andriamanitra izany; satria ianareo dia toy ny virijiny madio atolotra ho fofombadin'ny lehilahy anankiray, dia i Kristy.

3 Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin'i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an'i Eva tamin'ny lainga tsara lahatra nataon'ny bibilava.

4 Eny, leferinareo tsara raha misy olona tonga mitory Jesoa hafa noho ilay Jesoa notorinay; ary ianareo toa vonon-kandray fanahy hafa noho ilay Fanahy Masina efa azonareo, na vonon-kandray vaovao mahafaly hafa noho ilay Vaovao Mahafaly efa noraisinareo.

5 Heveriko fa tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin'ireo apostoly fanaperana ireo.

6 Na tsy ampy fahaiza-mandahateny aza aho, dia ampy fahalalana; nasehonay mazava tsara mandrakariva tamin'ny zavatra rehetra izany mba hahasoa anareo.

7 Fony aho nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra, dia nanao izany maimaimpoana aho; moa diso ve aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo?

8 Nekeko ny nandoavan'ny Fiangonana sasany vola tamiko, ka tahaka ny hoe nandroba azy ireo aho mba hanampiako anareo.

9 Fony teo aminareo aho, dia tsy nanahirana na iza na iza raha nisy zavatra nilaiko, satria ireo havana kristianina avy any Masedonia no nanome ahy ny zavatra nilaiko; ary tamin'ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hanahirana anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.

10 I Kristy Izay ato amiko dia milaza ny marina hatrany, ka milaza marina aho fa tsy azo esorina amiko izany reharehako izany eran'ny faritany Akaia.

11 Ahoana moa no ilazako izany? Satria tsy tiako ve ianareo? Andriamanitra no mahalala fa tiako ianareo!

12 Hataoko hatrany izao fanaoko izao, mba tsy hanan-kolazaina ry zareo te ho hita fa manahaka anay amin'izay ireharehany.

13 Apostoly sandoka izy ireny, milaza lainga momba izay ataony, ka miova endrika ho apostolin'i Kristy.

14 Tsy mahagaga izany satria hain'i Satana aza ny miova endrika ho anjely mamirapiratra.

15 Koa tsy sarotra ho an'ireo mpanompon'i Satana ny miova endrika ho mpanompon'ilay Andriamanitra marina; kanefa ny hiafaran'ireo dia ho araka ny asany ihany.

16 Antitranteriko ihany: aoka tsy hisy hanao ahy ho adala! Kanefa raha izany no iheveranareo ahy, dia raiso toy ny adala aho, mba hahazoako mirehareha kely koa.

17 Izay lazaiko izao dia tsy araka ny Tompo no ilazako azy; fa miteny toy ny adala aho amin'izao toe-javatra ireharehako izao.

18 Satria maro no mirehareha araka ny maha olombelona, dia mba hirehareha araka izany koa aho.

19 Fa hendry ianareo ka sitrakareo ny handefitra amin'ireo adala.

20 Eny, leferinareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy manao zinona anareo, raha misy mamely ny tavanareo.

21 Hanalam-baraka ny tenanay no ilazako ho: osa loatra izahay ka tsy nahavita izany! Kanefa izay sahin'ny olona lazaina miteny toy ny adala aho dia mba sahiko lazaina koa.

22 Hebreo ve ireo apostoly sandoka ireo? Izaho koa! Israelita ve izy ireo? izaho koa! Taranak'i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa.

23 Mpanompon'i Kristy ve izy ireo? Hiteny toy ny very saina aho: eny, mpanompon'i Kristy koa aho, ary mihoatra noho izy ireo; fa nisasatra mafy kokoa aho, natao am-ponja matetika kokoa, nokapohina bebe kokoa, tambavahoana imbetsaka kokoa.

24 Indimy nokapohin'ny Jiosy aho, ka nandalasina in-39 misesy isaky ny mandeha;

25 intelo nokaravasin'ny Romanina aho, ary indray maka saika matin'ny tora-bato; intelo vaky sambo aho, ary efa tavela teo anivon-dranomasina indray andro sy indray alina maninjitra.

26 Matetika nanao dia an-tongotra aho ka efa tojo ny loza isan-karazany: loza tamin'ny ony tondraka, loza tamin'ny jiolahy, loza avy amin'ny Jiosy mpiray firenena amiko, loza avy amin'ny hafa firenena, loza tao an-tanana, loza tany an-taniefitra, loza teny an-dranomasina, loza teo anivon'ny misandoka ho havana kristianina.

27 Niasa mafy sy nisasatra aho, niari-tory matetika, nijalin'ny hanoanana sy hetaheta, tsy nitendry hanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy.

28 Ankoatra izay tsy voalaza, dia mbola mitambesatra amiko isan'andro vaky ny fiahiana ny Fiangonana rehetra.

29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no lavo tamin'ny fahotana, ka tsy malahelo mafy aho?

30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia ireo zavatra mampiharihary ny fahalemeko no hataoko rehareha.

31 Andriamanitra, Rain'i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho.

32 Fony tany Damasy aho, ny governora notendren'i Hareta mpanjaka dia nampiambina ny tanana Damasy mba hisamborana ahy.

33 Fa nisy nampidina ahy an-tsobika avy teo amin'ny varavarankelin'ny manda, ka dia afa-nandositra ny tanan'i Hareta aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562