Nahoma
Toko 1 Izao no hafatra faminaniana momba ny tananan'i Ninive, mitantara izay nasehon'Andriamanitra tamin'i Nahoma avy any Elkosy.
Toko 2 Ry vahoakan'i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana. Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo! Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana, satria efa fongotra tanteraka izy.
Toko 3 Lozanao, ry tanana mpandatsaka ain'olona, mpanao hosoka sy fanambakana, ary tsy ialana fandrobana!