Nahoma

Toko faha-2

1 Ry vahoakan'i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana. Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo! Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana, satria efa fongotra tanteraka izy.

2 Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava; koa ambeno ny manda, andraso ny lalana. Mivonona hiady ary angony ny tafikao rehetra.

3 Fa efa ampodin'ny TOMPO indray ny voninahitry ny taranak'i Jakoba efa ampodiny indray ny voninahitr'i Israely, ilay voaloboka rava sady simban'ny mpandroba.

4 Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin'ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy.

5 Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny, ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka; toy ny harendrina no fijery azy fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.

6 Miantso ireo jeneraliny ny mpanjakan'i Asiria, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny. Milomay manatona ny manda ny mpanani-bohitra ka maka toerana eo ambanin'ny fialofana.

7 Vaky tampoka ny vavahady manolotra ny ony, ary mirodana ny lapa.

8 Azo ka nentin-ko babo ny sarin'ny andriamani-baviny, ary ny mpanompovaviny mitoloko toy ny voromahailala sady mandon-tratra noho ny alahelo.

9 Fa hatrizay i Ninive dia tahaka ny siniben-drano, kanjo vaky izy ankehitriny. Mijanona! Mijanona! hoy ny hiaka nefa tsy nisy niherika na dia iray aza.

10 Aoka hobaboina ny volafotsy sy ny volamena fa tsy mety ritra ny hareny, dia ireo zava-tsarobidy miavosa!

11 Tsy misy afa-tsy fandrobana sy fandravana ary fanimbana no hita! Kivy ny fon'ny rehetra; mangozohozo ny lohalika, mangovitra ny vatana ary mivaloarika ny tarehy.

12 Fa aiza ankehitriny ilay tanana izay toy ny zohy fieren'ny liona sy fihinanan'ny zanany? Rehefa lasa miremby ny liona, dia tsy nisy sahy nanakotaba ny zanany.

13 Novonoin'ny liona sy noviravirainy ny hazany ho an'ny liom-bavy sy ny zanany. Ny lavaka fonenany nofenoiny remby, dia ny haza rehetra voaviravirany.

14 Koa izao no teny hentitra ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Indro hamely anao Aho, ry Ninive, hodorako ho levona ny kalesinao ary hatolotro ho fatin-tsabatra ny tanoranao. Hofaranako hatreo ny fandrobanao teto an-tany, ka tsy ho re intsony ny fitakiana ataon'ny irakao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059