Nahoma
Toko voalohany
1 Izao no hafatra faminaniana momba ny tananan'i Ninive, mitantara izay nasehon'Andriamanitra tamin'i Nahoma avy any Elkosy.2 Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO. Manafay tokoa ny TOMPO ary mahatsiravina ny fahatezerany; eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO, ary mirehi-kavinirana amin'ny fahavalony.
3 Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny, ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka. Tafio-drivotra mahery no amin'izay alehan'ny TOMPO; ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.
4 Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina; ataony ritra avokoa ny ony rehetra. Tonga maina ny ahitr'i Basana sy i Karmela, ary manjary malazo ny voninkazon'i Libano.
5 Mihovitrovitra eo anoloany ny tendrombohitra, ary mihotsaka koa ny havoana; mihorohoro eo anatrehany ny tany, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.
6 Iza no mahajanona eo anoloan'ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
7 Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin'ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,
8 na dia tonga hanafotra aza ny loza. Fa potehiny kosa ny fahavalony ary alefany any amin'ny haizim-pahafatesana.
9 Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.
10 Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon'ny afo toy ny ahi-maina.
11 Avy tao aminao, ry Ninive, no nipoitra ilay misain-dratsy hanohitra ny TOMPO dia ilay lehilahy mpamorona hevi-poana.
12 Hoy ny TOMPO amin'ny vahoakan'i Joda: Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo, dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony. Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.
13 Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam-pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.
14 Ny aminareo kosa, ry mponin'i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon'andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.