Malakỳ
Toko 1 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Malaky ho an'ny Israelita.
Toko 2 Izao no fampitandremana ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona: Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin'ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin'ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko.
Toko 3 Ka hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy! 2 Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin'ny mpanasa lamba Izy.