Malakỳ
Toko faha-3
1 Ka hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy! 2 Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin'ny mpanasa lamba Izy.3 Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak'i Levy. Koa dia hanolotra fanatitra amin'ny TOMPO ara-pahamarinana ireo.
4 Ary ho mamin'ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan'i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin'ny andro taloha sy tamin'ny taona fahiny.
5 Ary hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman'ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.
6 Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak'i Jakoba anareo.
7 Fa hatramin'ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin'ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: Ahoana no iverenanay aminao?'
8 Dia hamaly anareo Aho hoe: Azon'ny olona fitahina ve Andriamanitra no mamitaka Ahy ianareo?Dia manontany indray ianareo hoe: Amin'inona no amitahanay Anao?Amin'ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena sy amin'ny fanaovanareo fanatitra.
9 Hiharan'ny ozona ianareo satria Izaho no fitahinareo, dia ianareo rehetra mpiray firenena.
10 Ento manontolo ary ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin'izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon'ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.
11 Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
12 Ary hataon'ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
13 Hoy ny TOMPO hoe: Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?'
14 Izao no nolazainareo: Zava-poana ny manompo an'Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan'ny TOMPOn'izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.
15 Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an'Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!
16 Toy izany no nifampiresahan'ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan'ny TOMPO an'ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.
17 Ary hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Amin'ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.
18 Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan'ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19 Fa hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin'io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany.
20 Fa ho an'izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin'ny tanany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mivoaka ny vala.
21 Amin'io andro izay hotendreko io, dia hohitsakitsahinareo ny olon-dratsy ka ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao.
22 Tsarovy ny lalanan'i Mosesy mpanompoko, dia ny didy amam-pitsipika izay nomeko azy tao Horeba ho an'ny Israelita rehetra.
23 Fa alohan'ny hiavian'ny andron'ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo Aho.
24 Izy no hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanany ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy; amin'izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin'ny fandringanana.