Malakỳ
Toko faha-2
1 Izao no fampitandremana ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona: Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin'ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin'ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko.3 Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan'ireo biby nataonareo sorona tamin'ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo.
4 Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan'ny fanekempihavanako amin'ny levita.
5 Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
6 Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin'ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin'ny faharatsiana.
7 Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.
8 Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin'ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon'izao rehetra izao.
9 Koa dia hampirisihiko ny vahoakan'i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan'olona tamin'izay fanapahan-kevitrareo.
10 Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin'ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana nifanaovan'Andriamanitra tamin'ireo razantsika?
11 Efa nivadi-panekena ny vahoakan'i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin'ny tanin'i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina izay mamin'ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin'ny andriamani-kafa izy.
12 Hoesorin'ny TOMPO tsy ho anisan'ny taranak'i Jakoba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao aza!
13 Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran'ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin'izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.
14 Dia anontanianareo ny anton'ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan'ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin'ny vadin'ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo.
15 Tsy efa nataon'ny TOMPO ho tena iray amin'ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin'izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an'Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin'ny fahatanoranareo.
16 Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin'ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely sady Tompon'izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.
17 Manasatra ny TOMPO amin'ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: Dia amin'inona no anasaranay Azy? Amin'ny filazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany. Na koa amin'ny filazanareo hoe: Aiza ary ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?